Isaià 42 - Malagasy Bible

Ilay mpanompon’ny Tompo(tononkira voalohany)

1Indro ny mpanompoko izay tohanako,

ilay voafidiko sady ankasitrahiko.

Napetrako tao aminy ny Fanahiko

mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.

2Tsy hiantsoantso izy na hampiaka-peo

sady tsy hanao kabary eny an-dalambe.

3Tsy hotapahiny ny volotara folaka,

ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona

fa hamoaka ny lamina ara-drariny tokoa izy.

4Tsy ho reraka na ho kivy izy

mandra-panoriny ny lamina ara-drariny amin’ny tany

fa hiandry dia hiandry ny lalànany

ireo mponina any amin’ny nosy.

Fahazavana ho an’ny firenena rehetra

5Izao no tenin’ny TOMPO Andriamanitra

Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy hidadasika,

Izay namelatra ny tany mbamin’ny zava-maniry vokariny,

Izay manome fofonaina ho an’ny olona eo aminy

sy fanahy ho an’ny mponina miriaria ao;

eny, izao no tenin’ny TOMPO Andriamanitra

amin’ilay mpanompo voafidiny:

6«Izaho TOMPO no niantso anao

araka ny fahamarinana

ka nitantana anao.

Izaho no niaro anao ka nanendry anao

ho antoky ny fanekempihavanako amin’ny olona

ary koa ho fahazavan’ireo firenena.

7Dia hampahiratra ny mason’ny jamba ianao,

hamoaka ny gadra avy ao am-ponja,

eny, hamoaka ireo mipetraka anaty haizina

hialany amin’ny trano nihazonana azy.»

8Izaho no TOMPO, izany no anarako

ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa

ary ny fiderana Ahy tsy avelako ho an’ny sampy.

9Indro efa lasa iny ny zava-niseho voalohany;

koa zava-baovao indray no ambarako aminareo.

Ary hampahafantariko anareo izany,

na dia mbola tsy miseho aza.

Mirotsaka an-tsehatra ny Tompo

10Mihirà hira vaovao ho an’ny TOMPO;

miderà Azy avy any am-paran’ny tany

ianareo mpivezivezy eny an-dranomasina

sy ianareo mponina any amin’ny nosy.

11Aoka hanandra-peo ny tanàna any an-taniefitra

sy ny any an-toby fonenan’ny Kedarita!

Aoka hihoby ny mponina any amin’ny Harambato;

avy any an-tampon-tendrombohitra any

no aoka hanaovany hiram-pifaliana!

12Hanome voninahitra ny TOMPO anie ireny;

ary aoka hitory ny fiderana Azy

ny mponina any amin’ny nosy lavitra!

13Mandroso toy ny miaramila maherifo ny TOMPO

ary vonona toy ny mpiantafika zatra ady.

Miantsoantso manao hiakan’ady Izy;

ka maneho hery hihantsiana an’ireo fahavalony.

Ny fikasan’ny Tompo

14Efa hatry ny ela Aho no nangina,

ka tsy nanao na inona na inona, hoy ny TOMPO.

Fa izao kosa Aho mitaraina toy ny vehivavy miteraka

izay sempotsempotra sady tsy avy miaina.

15Hovolosako ny tendrombohitra sy ny havoana,

ka hataoko maina ny ahi-maitso rehetra ao aminy;

hovako ho tany hay ny ony

ary hataoko maina ny farihy.

16Ny jamba hampandehaniko

amin’ny lalana tsy mbola fantany;

sakeli-dalana tsy mbola hainy

no hitarihako azy ireo.

Hovako ho mazava ny haizina eo anatrehany

ary ho mahitsy ny lala-miolakolaka.

Hotanterahiko ireo fikasàko ireo

fa tsy hisy havelako velively.

17Aoka hianòtra amin-kenatra tokoa

ianareo mitoky amin’ny sampy

sady milaza amin’ny sarivongana hoe:

«Ianareo no andriamanitray.»

Vahoaka jamba sy marenina

18Ianareo marenina, aoka handre;

ary ianareo jamba, mahirata mba hahita.

19Iza moa no jamba raha tsy ny mpanompoko?

Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko?

Eny, iza no jamba tahaka ny mpitondrateniko,

ary marenina tahaka ny mpanompoko?

20Betsaka ny zavatra hitany

nefa tsy nisy tadidiny;

manongilan-tsofina hihaino izy,

nefa tsy misy zavatra reny.

21Fa sitraky ny TOMPO ho fandresen’ny fahamarinany

ny haneho fa lehibe sy heni-boninahitra ny lalànany,

22ka indro ity vahoaka fa voaroba sy voasambotra:

naiditra am-ponja avokoa izy rehetra

ary nahiboka an-tranomaizina.

Voaroba nefa tsy nisy namonjy,

voasambotra nefa tsy nisy nanao hoe: «Avereno!»

23Iza aminareo no hanongilan-tsofina

handre izao teny izao

ka ho mailo hihaino azy amin’ny ho avy?

24Iza no nanolotra ny firenen’i Jakôba

tamin’ny mpisambotra?

Iza no nanolotra ny vahoaka Israely

tamin’ny mpandroba?

Moa ve tsy ny TOMPO izay nanotantsika?

Satria ny vahoaka Israely tsy nety handeha

tamin’ny lalana nosoritany,

ary tsy nihaino ny lalànany.

25Koa nazeran’ny TOMPO tamin’ny vahoaka Israely

ny fahatezerany mirehitra sy ny ady mangotraka.

Nandoro ny faritra manodidina an’i Israely izany,

saingy tsy fantany velively;

nandoro tao anatiny mihitsy aza izany,

nefa tsy nahoany akory.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help