1Omeo rariny aho, Andriamanitra ô,
iandanio hanohitra ny tsy mpivavaka,
ataovy afaka amin’ny mpamitaka
sy amin’ny mpanao ratsy.
2Fa Andriamanitra mpiaro ahy Ianao,
ka nahoana no dia mandao ahy?
Nahoana aho no nampahorîn’ny fahavaloko,
ka manjary miaina mijoretra toy izao?
3Ny hazavanao sy ny fahamarinanao
alefaso hitarika sy hitantana ahy
hatrany an-tendrombohitrao masina,
hatrany amin’ny fonenanao.
4Dia hankeo amin’ny alitaranao aho, Andriamanitra ô,
eo aminao Andriamanitra fototry ny hafaliako;
ka hidera Anao amin-dokanga,
ry Andriamanitra Andriamanitro!
5Nahoana re aho no mitanondrika
sy mitoloko toy izao ato anatiko?
Aoka Andriamanitra no hitokiako!
Eny, mbola hoderaiko hatrany Izy,
dia ilay Mpamonjiko sady Andriamanitro!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.