Isaià 26 - Malagasy Bible

Tanàna mahery sy sarotra iakarana

1Amin’izany andro izany, ao amin’ny tanin’i Joda

dia hihirana izao hira izao:

«Manan-tanàna mafy isika.

Manda roa sosona no nataon’ny TOMPO

mba ho fiarovana azy.

2Vohay ireo vavahady

hidiran’ny firenena mahatoky

izay mitana ny fahamarinana.

3Ny toe-tsainy tsy miovaova;

ka omenao fiadanana hatrany izy

satria matoky Anao, TOMPO ô.

4Matokia ny TOMPO hatrany hatrany ianareo,

satria ny TOMPO no vatolampy mandrakizay.

5Izy no nampietry ireo mpiteronterona

sy nandrodana ny tanàna sarotra iakarana;

eny, nampidaboka azy tamin’ny tany Izy

ka nampitrosona azy tamin’ny vovoka

6mba hohitsahin’ny mahantra sy ny malemy.

Vavaka amin’ny fotoana farany

7TOMPO ô, toroanao lala-mahitsy ny olo-marina;

ary tsy miolikolika ny lalana soritanao ho azy.

8Eny, lalana atoron’ny didim-pitsaranao

no anantenanay Anao, TOMPO ô.

Ny hanonona ny anaranao sy hahatsiaro Anao

no hetahetam-ponay.

9Maniry ny atrehinao aho amin’ny alina;

eny, mitady Anao ny fanahiko ato anatiko.

Rehefa ny didim-pitsaranao

no ampiharinao amin’ny tany,

dia hahay hitondratena mahitsy

ny mponina eran’izao tontolo izao.

10Fa raha amindrana fo ny olon-dratsy,

dia tsy hahatakatra ny fahamarinana,

fa hamilivily ny rariny eto an-tany

ka tsy hahita ny fiandrianan’ny TOMPO.

11TOMPO ô, manandra-tanana handrahona Ianao

kanefa tsy ahoan’ireo olon-dratsy akory.

Aoka ho menatra izy raha mahita

ny zotomponao hiaro ny vahoakanao;

eny, aoka handevona azy ny afo

izay natokanao ho an’ny fahavalonao!

12TOMPO ô, Ianao no manome anay ny fiadanana

ary Ianao koa no mahatomombana ho anay

ny asa rehetra nataonay.

13Ry TOMPO Andriamanitray ô,

tompo maro no efa notompoinay talohanao;

nefa ny anaranao ihany no satrinay hotsaroana.

14Ny maty tsy ho velona intsony

ary ny matoatoa tsy hitsangana koa;

fa efa nirotsaka handringana azy Ianao

ka nolevoninao mbamin’ny fahatsiarovana azy.

15TOMPO ô, nampitomboinao ny firenenay,

ary izany no nahazoanao voninahitra;

eny, nampitomboinao ny firenenay

ka nitarinao halalaka avokoa ny sisin-taniny.

16TOMPO ô, fony azom-pahoriana izahay,

dia nitady Anao tokoa;

ary niantso vonjy taminao izahay,

rehefa voaterin’ny famaizanao.

17Toy ny vehivavy mihetsi-jaza hiteraka

ka miolanolana sy mitaraina mafy,

dia toy izany izahay

teo anatrehanao, TOMPO ô.

18Izahay koa dia mova tsy efa bevohòka

sy efa nihetsi-jaza hiteraka,

nefa tahaka ny zava-poana no naterakay.

Tsy nahay nitondra fanafahana

ho an’ny tany izahay,

tsy nahay nitondra mponina vaovao

ho an’izao tontolo izao.

Fitsanganan’ny maty sy famaizana ireo heloka bevava

19Ho velona indray ireo maty ao aminao, ry fireneko,

ary hitsangana ny fatiny.

Hifoha sy hanao hobim-pifaliana

ireo matory ao amin’ny vovo-tany,

fa handefasan’ny Tompo andom-pahazavana ianao

ka hateraky ny tany indray ireo nodimandry.

20Ndeha miditra any an-tranonao, ry fireneko,

ka hidio mafy ny varavarana;

miere kely indray mipy maso monja ianao

mandra-pisindan’ny fahatezeran’ny Tompo.

21Fa indro ny TOMPO mivoaka ny fonenany

mba hanadina ny mponina amin’ny tany

momba ny heloka vitany.

Hasehon’ny tany ireo ra notrohiny

ary tsy hafeniny intsony

ireo novonoina ho faty teo aminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help