1Tamin’ny volana fahafito, andro faha-21 dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany.
2Hafatra ho an’ny governoran’i Joda, dia i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela sy ho an’i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky ary ho an’izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany no nasain’ny Tompo nambarany hoe:
3Iza aminareo sisa ireo no mahatsiaro ny tempoly tamin’ny famirapirany taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitànareo azy ankehitriny? Moa tsy zava-poana sisa hitanareo?
4Koa izao no teny hentitra avy amiko TOMPO: Mahereza, ry Zerobabela! Mahereza, ry Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky. Mahereza, ianareo rehetra sarambabem-bahoakan’ity tany ity; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Miasà fa Izaho no miaraka aminareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao,
5araka ny fanekempihavanana nataoko taminareo fony ianareo niala tany Ejipta. Ary hitoetra eo anivonareo ny Fanahiko; koa aza matahotra ianareo.
6Eny, Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia manambara fa raha afaka kelikely dia hohozongozoniko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tanety.
7Hakorontako ambony ambany ny firenen-drehetra. Hoentina eto, ny hareny rehetra ary dia hofenoiko famirapiratana indray ity trano ity, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.
8Ahy avokoa manko ny volamena sy volafotsy eran’izao tontolo izao; izany no teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.
9Ny famirapiratan’ity trano ity dia ho lehibe mihoatra noho ny tany aloha; ary eto amin’ity toerana ity, hoy AHO, no hanomezako anareo fiadanana. Izany no fampanantenana avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.
Ny vahoaka miaina amin’ny fahalotoana10Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, volana fahasivy, andro faha-24, dia nisy tenin’ny TOMPO indray tamin’ny mpaminany Hagay.
11Fanontaniana hangatahana valin-teny mahatapaka amin’ny mpisorona izany, ka hoy i Hagay tamin’ireo:
–Izao no lazain’ny Tompon’izao rehetra izao:
12Aoka hatao hoe misy olona mitondra hena voahasina tamin’ny sorona ao anaty sisin-dambany; raha voakasiky ny lambany ny mofo na ny zavatra nahandroina, na koa ny divay na ny menaka na izay rehetra mety ho sakafo fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo?
Dia hoy ny mpisorona tamin’i Hagay:
–Tsia, tsy ho tonga masina ireo.
13Mbola nanontany azy ireo koa i Hagay hoe:
–Aoka indray hatao hoe misy olona maloto satria nikasi-paty izy; raha mahakasika sakafo izy avy eo, moa ho tonga maloto koa ve izany?
Dia novalian’ny mpisorona hoe:
–Eny, ho tonga maloto izany.
14Dia hoy kosa i Hagay hoe:
–Teny hentitra avy amin’ny TOMPO àry fa ho tahaka izany ny vahoakan’ity firenena ity sy ny asa rehetra vitany; ka izay atorony eo amin’ny alitara dia maloto avokoa.
Ny Tompo mampanantena ny fitahiany15Hoy koa ny TOMPO hoe:
–Hevero tsara izay zavatra hiseho aminareo manomboka anio. Talohan’ny nanangonanareo vato hananganana indray ny tempoliko,
16inona no nitranga taminareo? Raha misy olona nandeha naka vary tao amin’ny sompitra nampoiziny hahazoana roa arivo kilao, dia tsy nahita afa-tsy arivo kilao ihany izy; ary raha nisy olona nandeha nanovo divay tao amin’ny barîka nampoiziny hahazoana dimampolo litatra dia tsy nahita afa-tsy roapolo litatra ihany izy.
17Nolevoniko ny vokatry ny asa rehetra vitanareo: rivo-mahery sy aretina ary havandra no nalefako hamely izay rehetra nambolenareo, nefa tsy nety niverina tamiko ianareo; Izaho Tompo no manao izany teny hentitra izany.
18Hevero tsara izay zavatra hiseho aminareo manomboka anio. Anio no andro faha-24 amin’ny volana fahasivy, dia ny andro nametrahana ny fototry ny tempoliko.
19Moa tsy efa ritra ny vary tao an-tsompitra? Na dia ny voaloboka sy ny aviavy ary ny ampongabendanitra sy ny ôliva aza tsy nahavokatra. Kanefa manomboka izao anio izao kosa no hitahiako anareo.
Fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’i Zerobabela20Tamin’io andro io ihany, andro faha-24 amin’y volana fahasivy, dia mbola nisy tenin’ny TOMPO fanindroany tamin’i Hagay.
21Hafatra ho an’i Zerobabela governoran’i Joda izany, ka hoy i Hagay taminy:
–Izao no teny hentitra ataon’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Hohozongozoniko ny lanitra sy ny tany.
22Haongako ireo mpanjaka ary hofoanako ny herin’ny fanjakam-pirenena; hahohoko ny kalesiny sy ny mpamily azy; samy ho lavon’ny sabatra ka ho faty ireo soavaly ary hifamono koa ny mpitaingina azy.
23Kanefa amin’izany andro izany, dia hotolorako andraikitra ianao, ry Zerobabela mpanompoko sady zanakalahin’i Sealtiela. Hataoko sarobidy toy ny peratra tombokase ianao, fa efa voafidiko hisolotena Ahy. Izany no fampanantenana hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.