Jôba 18 - Malagasy Bible

Tenin’i Bildada: fandrika ho an’ny ratsy fanahy

1Dia niteny indray Bildada avy any Soha ka nanao hoe:

2Rahoviana no hatsahatrareo roa lahy izany teny izany?

Mieritrereta aloha ianareo; izay isika vao miresaka!

3Nahoana no ataon’i Jôba ho donto toy ny biby isika telo lahy?

Sa olona tery saina ve isika eo imasonareo?

4Ary ianao kosa, ry Jôba,

izay mampahory tena amin’ny fahatezeranao,

noho ny aminao ve no hahalao ny tany

sy hampifindra toerana ny vatolampy?

*

5Eny, ho faty tokoa ny jiron’ny olon-dratsy,

ary tsy hirehitra intsony ny lelafony.

6Ny hazavana hihamaizina ao an-tranony;

ary ho faty ny fanaovan-jiro eo amboniny.

7Hiambakavaka ilay famindrany matoky iny,

ary ho lavon’ny foto-pisainany ihany izy;

8satria ny tongony no hitarika azy ho amin’ny harato,

ka dia handroso ho voasingotra avy hatrany izy.

9Ho azon’ny fandrika ny ombalahintongony,

ary hangeja azy mafy ny tadivavarana.

10Miafina eo amin’ny tany eo ny tady hamingana azy;

ary efa misy longoa mitoto-bozaka eny an-dàlany.

11Manemitra azy hatraiza hatraiza ny horohoro

ary manara-dia azy amin’izay alehany.

*

12Lanin’ny mosary ny fahavitrihan’ny olon-dratsy

ary mitoetra eo anilany ny fahantrana.

13Eny, laniny tsikelikely ny sombin-kodiny,

ary kikisan’ny areti-mandoza ny rantsam-batany.

14Hoesorina amin’ny fonenany azo antoka izy

ka hoentina eo anatrehan’ilay mpanjaka Rafahafatesana.

15Tsy misy mpipetraka ny tranony ka azo itoerana,

dia hofafazana solifara ny faritra fonenany.

16Fa ho tonga toy ny hazo efa ho faty izy;

mihamaina ny fakany avy ao ambany

ary mihamalazo ny raviny avy any ambony.

*

17Ho foana eto amin’ity tany ity

ny fahatsiarovana ny olon-dratsy,

ary efa hadino hatrany ivelany ny anarany.

18Hakifika hiala amin’ny mazava hankamin’ny haizina izy

ary horoahina hiala amin’izao tontolon’ny velona izao.

19Ho lany tamingana tsy hamela taranaka izy

ary tsy hisy ho velona ny ao amin’ny fonenany.

20Igagan’ny any Andrefana ny fahavoazany,

ka mampihorohoro ny any Atsinanana.

21«Toy izany, hoy ireo, no miandry

ny fonenan’ny mpanao ratsy;

izao no manjo ny toerana

izay tsy niekena an’Andriamanitra.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help