1Izao no torohevitra izay noraisin’i Lemoela mpanjakan’i Masà tamin-dreniny:
2«Inona, anaka, inona no holazaiko anao
zanako naterako izay efa nangatahiko am-bavaka?
3Aza omena ny vehivavy ny herinao.
Aoka tsy ireo vehivavy manimba mpanjaka
no hibaiko ny fitondrantenanao!
4Tsy mety amin’ny mpanjaka, ry Lemoela,
tsy mety amin’ny mpanjaka na mpifehy
ny miboboka divay na toaka.
5Fa raha miboboka izany izy,
dia hanadino ny fampiharan-dalàna
ary hamadika ny zon’ireo olona mahantra.
6Aoka izay efa ho faty no homena toaka
ary izay fadiranovana no hotoloran-divay;
7dia hiboboka izy hanadinoany ny fahoriany
ary tsy hahatsiarovany ny fahantrany intsony.
8Sokafy ny vavanao hiaro izay tsy afa-miteny
sy hiady ho an’ny olona rehetra tsy mana-mpiahy.
9Sokafy ny vavanao mba hitsara araka ny marina
ary hiady ho an’ny ory sy ny mahantra».
Ny vehivavy mahayALEFA10Iza no mahita vehivavy mahavatra?
Fa ny hasarobidiny dia mihoatra noho ny perla.
BETA11Matoky azy tanteraka ny vadiny,
satria tsy mandanilany fananana izy.
GIMELA12Tsy manao ratsy aminy ravehivavy
fa manao izay hahasambatra azy kosa
mandritra ny andro rehetra iainany.
DALETA13Mitady volon’ondry sy kiran-drongony izy
ary miasa araka ny fahakingan’ny tanany.
HE14Tahaka ny sambon’ny mpandranto izy
ka mitondra ny haniny avy lavitra.
VAO15Mifoha mbola maizina izy,
ka mikarakara ny sakafon’ny ankohonany
sy mitsinjara ny asan’ny mpanompovaviny.
ZAINA16Mandinika tsara izy vao mividy saha
ary mamboly voaloboka amin’ny tombontsoa azony.
PETA17Misikina herimpo izy
fa tsy mba miraviravy tanana.
TETA18Tsapany ny fandrosoan’ny raharahany
ka tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
JODA19Miasa mamoly volon’ondry ny tanany
ary manenona lamba ny rantsan-tanany.
KAFA20Manatsotra ny tanany amin’ny ory izy
ary malala-tanana amin’ny mahantra.
LAMEDA21Tsy ahiany amin’izay oram-panala ny ankohonany,
fa voatafy mafana avokoa ny ao an-tranony.
MEMA22Manao firakotra ho an’ny tenany izy;
ny fitafiany dia rongony fotsy sy volomparasy.
NONA23Hajaina ny vadiny rehefa mivory eo am-bavahady
ka miara-midinika amin’ireo loholon’ny tanàna.
SAMEKA24Manao akanjo izy ka mivarotra izany;
mandafo fehikibo amin’ny mpandranto koa izy.
HAINA25Hery sy haja no iravahany;
ary tsy mahataitra azy ny hoavy.
PE26Miteny amim-pahendrena izy
ary manoro hevitra amim-pitiavana.
TSADE27Manara-maso izay fizotry ny ankohonany izy
ka tsy malaina manomana ny sakafo hohaniny.
KÔFA28Ny zanany miara-miantso azy hoe sambatra,
ary ny vadiny midera azy manao hoe:
RESA29«Maro ny vehivavy miseho ho mahavatra,
fa manoatra noho izy rehetra ianao.»
SINA30Mamitaka ny bika ary mandalo ny hatsaran-tarehy;
fa ny vehivavy manaja ny TOMPO ihany no hoderaina.
TAO31Hanomezam-pankasitrahana azy anie ny tombontsoa azony
ary hideran’ny besinimaro azy anie ny zava-bitany!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.