Salamo 65 - Malagasy Bible

SALAMO Andriamanitra ô, mendrika hoderaina Ianao

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida. Tononkira.

2Ry Andriamanitra monina ao Tsiôna ô,

mendrika hoderaina Ianao

sy hanefana ny voady natao.

3Satria mpihaino vavaka Ianao,

dia hatonin’ny olona rehetra

4samy vesaran’ny heloka vitany.

Ny hadisoanay tsy zakanay;

Ianao kosa no mikosoka azy.

5Sambatra ny olona izay voafidinao

ka asainao honina ao an-kianjanao!

Hamoky anay ny zava-tsoan’ny tranonao,

dia ny zava-masin’ny tempolinao.

6Manasoa anay tokoa Ianao,

ry Andriamanitra Mpamonjy anay;

ka dia zava-mampitolagaga

no amalianao ny vavakay,

ry hany fanantenan’ny vahoaka

hatrany am-paran’ny tany rehetra

mbamin’ireo nosy any lavitra any.

7Tompo ô, tanjaka sy hery no asehonao,

ka ataonao miorina mafy ny vohitra,

8tonenao ny riaka misamboaravoara

sy ireto onjany mirohondrohona,

ampangininao ny firenena mitabataba.

9Noho ireo famantarana ataonao,

dia mitolagaga ny vahoaka

hatrany am-paran’ny tany;

na tatsinanana na tandrefana

dia entaninao hihorakoraka hihoby.

10Tompo ô, miahy ny tany Ianao,

manondraka azy amin’ora-mikija

ka mahatonga azy ho vokatra tokoa.

Ilay reniranonao, Andriamanitra ô,

dia tondraka midibadiba hatrany.

Vary ho an’ny olona no omaninao

ka toy izao no fikolokoloanao ny tany:

11ny soritr’asa ataonao ampo-drano

ny bainga motahinao sy aravonao;

oram-batravatra no amontosanao azy

ka ombànao fitahiana ny tsirim-bary.

12Dia zava-tsoa no toa fehiloha

izay asatrokao ny taona;

ka fahavokarana mitafotafo

no amin’izay andalovanao.

13Maitso mavana ny ahitra an-tanety,

ka feno fifaliana ny havoana;

14Rakotra ondry aman’osy ny tanimbilona,

ary voasarom-bary ny lohasaha

ka manako ny hoby sy ny hira ho Anao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help