1 Hira fiakarana.
Aminao no anandratako ny masoko,
ry Ilay mitoetra any an-danitra.
2Indro toy ny fijerin’ny ankizilahy
ny tanan’ny tompolahiny,
ary toy ny fijerin’ny ankizivavy
ny tanan’ny tompovaviny,
no fijerinay ny TOMPO Andriamanitray
mandra-piàntrany anay!
3Iantrao izahay, TOMPO ô, iantrao
fa tototry ny eso ela loatra;
4Ela loatra no tototry ny tebak’ireo tretrika izahay,
sy tototry ny eson’ireo mpiavonavona!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.