Jôba 14 - Malagasy Bible

Valintenin’i Jôba (famaranana): mahonena ny maha olombelona

1Ny olona natera-behivavy

dia fohy andro iainana

sady vontom-pahoriana.

2Tahaka ny voninkazo izy,

mora maniry nefa mora malazo;

ary tahaka ny aloka ihany izy,

mihelina fa tsy maharitra.

3Kanefa dia ny toy izany, Andriamanitra ô,

no anokafanao ny masonao!

ary dia ny tenako izao no entinao

hifandahatra aminao am-pitsarana.

4Misy madio ateraky ny tsy madio ve?

Tsy misy na dia iray akory aza.

5Koa satria voafaritra ny androm-piainan’ny olona,

voatendrinao ny isan’ireo volana hahavelomany,

ary nasianao fetra tsy azony ihoarana,

6dia midifia tsy hanatrika azy Ianao,

mba hahazoany maka aina kely sy mifaly

toy ny mpikarama finaritra amin’ny fotoam-piatoany.

*

7Fa mbola misy antenaina amin’ny hazo

satria na dia kapaina aza izy,

dia mbola haniry indray

ka hanome solofo hatrany.

8Na dia antitra ao amin’ny tany aza ny fakany

ka efa maty mihosim-bovoka ny fotony,

9dia hitsimoka indray izy raha sendra rano

ary hisandrahaka toy ny vao nambolena.

10Fa ny olona kosa maty dia manjavona;

ary aiza moa izy, rehefa miala aina?

11Mety hisintona ny rano amin’ny farihy,

ary ho ritra ny ony ka ho maina;

12dia toy izany koa ny olona rehefa maty,

mandry izy ka tsy hitsangana intsony;

raha mbola maharitra ihany ny lanitra,

dia tsy ho tafafoha intsony ireo

ary tsy ho voafoha amin’ny torimasony.

*

13Andriamanitro ô, raha mba nafeninao

tany amin’ny toeran’ny maty aho

ka notoloranao fialofana hiereko

mandra-pitony ny fahatezeranao!

ka aorian’izay dia hahatsiaro ahy Ianao!

14Nefa moa ho velona indray va ny olona maty?

Raha izany dia ho niandry isan’andro aho

mandritra ny fotoana manontolo fanompoako,

mandra-pahatonga ny famotsorana ahy.

15Amin’izay dia hamaly aho rehefa hiantso ahy Ianao

ka haneho fangorahana ny tenako izay arin-tananao.

16Ankehitriny Ianao manisa ny diako hiarovana ahy,

koa tsy hitsikilo ny fahotako intsony.

17Ho voaafinao an-kitapo misy kase ny fahadisoako

ary ho voasaronao tanteraka ny heloko rehetra.

*

18Fa ny tendrombohitra aza mikoa ka levona

ary ny vatolampy voaongotra amin’ny toerany.

19Ny vato aza ho voakikin’ny rano

ary ny tany hindaosin’ny riaka.

Dia toy izany no andravanao

ny fanantenan’ny olona ho velona.

20Lavonao amin’ny tany izy ka lasana

ary simbanao ny endriny ka voailikao izy.

21Omem-boninahitra ny zanany, nefa tsy fantany;

ary tonga afa-baràka ireo, nefa tsy hitany.

22Ny hany tsapany dia ny fanaintainan’ny nofony;

ny hany isaonany dia ny fahoriam-panahiny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help