Ezekiela 13 - Malagasy Bible

Famelezana ny mpaminany sandoka

1Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hanohitra ireo mihambo ho mpaminany eto Israely ka maminany araka ny nahim-pony. Asaovy mihaino ny teniko izy.

3Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hiharan-doza ny mpaminany adala, izay manaraka fotsiny ny eritreriny fa tsy manana fahitana akory.

4Ry vahoaka israelita ô, toy ny amboadia mirenireny ao an-tanàna aolo ny mpaminaninareo.

5Tsy nandeha nanamboatra ny banga tamin’ny manda ireo sady tsy nanangana manda hiarovana anareo amin’ny ady rehefa mby ny andron’ny TOMPO.

6Fa nilaza fahitana manodoka sy fanambaràna mamitaka izy, ka nanao hoe: ‹Izao no teny hentitra avy amin’ny TOMPO›; nefa Izaho TOMPO tsy naniraka azy akory! Saingy manantena ny hanamafisako ny teniny izy.

7Moa tsy fahitana manodoka ve ny anareo, hoy Aho? Moa tsy fanambaràna mamitaka ve no ataonareo? Mihambo hilaza teny hentitra avy amin’ny TOMPO ianareo, kanefa Izaho tsy niteny taminareo akory!›

8Noho izany, izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Satria nilaza teny manodoka sy fahitana mamitaka ianareo, dia ho avy hamely anareo Aho. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.›

9«Ny heriko no hamely ny mpaminany izay milaza fahitana manodoka sy fanambaràna mamitaka. Tsy hanana anjara toerana ao amin’ny filankevitry ny vahoakako izy sady tsy ho voasoratra ao amin’ny lisitry ny vahoaka israelita ka tsy hiverina any amin’ny taniny. Amin’izay dia hoekeny fa Izaho no Tompo ANDRIANANAHARY.

10«Mamitaka ny vahoakako ny mpaminany amin’ny filazana fa fiadanana no manjaka nefa tsy misy fiadanana akory. Manangana rindrina ny vahoakako fa ireo kosa mandalotra azy amin’ny fotaka.

11Koa lazao amin’ireo mpandalotra ireo hoe: ‹Hirodana ny rindrina! Fa ho avy ny ora-mikija, hiraraka ny havandra vaventy, ary hifofofofo ny rivo-mahery.

12Rehefa mirodana ny rindrina, dia hanontaniana anareo ny nilana ny fotaka nandaloranareo azy.›

13Noho izany, izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hampifofofofo rivo-mahery Aho noho ny hatezerako; handefa ora-mikija Aho noho ny fahavinirako ary handraraka ny havandra vaventy mpandrava Aho noho ny fisafoakako.

14Horavako ny rindrina izay nolalorinareo fotaka ka hazerako amin’ny tany, dia hiseho mbamin’ny fototra. Hirodana izy ka ho tototra ao ambaniny ianareo. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.

15Hanamparako ny hatezerako ny rindrina sy izay nandalotra fotaka azy, dia holazaina aminareo hoe: ‹Tsy misy intsony ny rindrina. Tsy misy intsony ny mpandalotra azy,

16dia ireo mpaminany israelita izay maminany ny hoavin’i Jerosalema sy manam-pahitana manambara fiadanana ho azy nefa tsy misy fiadanana akory. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany›. »

Famelezana ny mpimasy

17«Ary ianao, ry ilay taranak’olombelona, handrino ireo vehivavy israelita izay maminany araka ny nahim-pony ka ambarao ny hamelezana azy;

18ary ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hiharan-doza ianareo izay manjaitra fehitanana ho an’ny hato-tanana rehetra, ary manjaitra fehivozona ho an’ny olona isan-karazany mba hangejanareo ny ainy. Tianareo hogejaina ny ain’ny olona anisan’ny vahoakako mba hiarovana ny ainareo.

19Manala baràka Ahy eo anatrehan’ny vahoakako ianareo noho izay vary eran’ny tanana ila na izay sombimofo vitsivitsy. Raha andainganareo ny vahoakako mora fahanan-dainga, dia mahafaty izay tsy tokony ho faty ianareo ary mamelona izay tsy tokony ho velona.›

20Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hosimbako ny fehitanana izay angejanareo ny ain’ny hafa. Horovitiko ireny ka hoesoriko eny an-tanany, ary halefako malalaka ny aina izay nogejainareo.

21Horovitiko ny fehivozony, dia hoafahako amin’ny fahefànareo ny vahoakako ary tsy hogejainareo intsony; amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.

22Ny lainganareo dia nahakivy ny olo-marina tsy tiako halahelo ary nampirisika ny olon-dratsy tsy hiala amin’ny toe-dratsiny mba hamelomana azy.

23Noho izany dia tsy hisy intsony ny fahitanareo manodoka sy ny fanambarànareo mamitaka. Hoafahako amin’ny fahefànareo ny vahoakako. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO›. »

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help