1Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
2«Ry ilay taranak’olombelona, mitodiha amin’ny Hamônita ary mijoroa ho mpaminany ny amin’ny hamelezana azy.
3Asaovy mihaino izy fa izao no teny lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminy: ‹Nihomehy ianareo fony nozimbazimbaina ny toerako masina ary nosimbana ny tanin’i Israely sady nentina ho babo ny olon’i Joda.
4Noho izany, havelako halain’ireo mpifindrafindra monina avy any atsinanana ny taninareo: Hanorina toby eo amin’ny taninareo izy ka hamelatra ny lainy eo. Ireny no hihinana ny voankazo sy hisotro ny ronono izay anareo.
5Hatao tonga fiandrasana rameva i Rabà renivohitrareo, ary hanjary valan’ondry ny tany hamônita manontolo. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.›
6«Eny, izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Nitehaka sy nitsinjaka ary nifaly tokoa ianareo tamin’ny loza nanjo an’i Israely. Izany no nanaovanareo tsinontsinona ny vahoakako.
7Koa haneho ny heriko hamelezana anareo Aho, ary hanolotra anareo amin’ny firenen-kafa izay handroba anareo tanteraka. Hofoanako tsy ho firenena intsony ianareo, tsy hanan-tany intsony fa haringako tanteraka. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO›. »
Loza mananontanona hamelezana ny Môabita8Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Nilaza ny Môabita fa efa tonga tahaka ny firenena hafa rehetra izao i Joda.
9Koa hasaiko tafihina ireo tanàn-dehibe miaro ny fidirana any Môaba, hifanesy ho rava ireo tanàna tsara indrindra toa an’i Bety-Jesimôta sy i Bahala-Mehôna ary i Kiriataima.
10Ireo mpifindrafindra monina avy any atsinanana dia havelako haka an’i Môaba ankoatra izay nakany ny tanin’ireo Hamônita, ka tsy hahatsiarovana intsony ireo Hamônita any amin’ny firenen-kafa.
11Hotanterahiko ny famaizana ny Môabita; amin’izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.»
Loza mananontanona hamelezana ny Edômita12Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Nanao valifaty mahatsiravina tamin’ny vahoakan’i Joda ny Edômita, ary izany no mahameloka azy.
13Koa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara fa haneho ny heriko hamelezana an’i Edôma. Haringako ny olona sy ny biby fiompy amin’io tany io; ary hataoko lao izy, manomboka eo an-tanànan’i Temàna ka hatrany Dedàna, ka ho faty an’ady ny mponina ao aminy.
14Hankiniko amin’i Israely vahoakako ny famaizako an’ireo Edômita. Koa araka izay takin’ny fahatezerako amam-pahavinirako no hatao aminy mba hahatsapany ny ngidim-pamaizako. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
Loza mananontanona hamelezana ny Filistinina15Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Valifaty no nafitsoky ny Filistinina, dia valifaty mahatsiravina vokatry ny fanaovana tsinontsinona ireo ankahalainy hatry ny ela ka nahatonga azy handringana ireny.
16Koa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara aminy fa haneho ny heriko hamelezana azy. Haringako ny Keretita ary horavako ny olon-kafa sisa izay namany mipetraka amin’iny moron-dranomasina iny.
17Famaizana mangotraka no famaliana mahatsiravina hamelezako azy; ka rehefa hampihariko aminy tokoa izany, dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.