1 Hira fiakarana.
TOMPO ô, ny zavatra rehetra niaretan’i Davida
dia mba tsarovy hanasoavanao azy.
2Tsarovy fa taminao, TOMPO ô,
no nanaovany fianianana;
taminao, ry ilay Maherin’i Jakôba,
no nanaovany voady hoe:
3«Tsy hiditra ny tranolay fonenako aho
na hiakatra ny farafara fandriako,
4tsy hamela ny masoko hatory aho
na ny hodi-masoko ho rendremana,
5mandra-pahitako toerana ho an’ny TOMPO,
dia fonenana ho an’ilay Maherin’i Jakôba.»
6Indro henonay hoe any Efratà ny Vatamasina
;ary hitanay tao amin’ny sahan’i Jahara.
7«Koa ndeha isika ho any amin’ny fonenan’ny Tompo
sy hiankohoka eo anoloan’ny fitoeran-tongony!
8Avia, TOMPO ô, ho amin’ny toeram-pitsaharanao,
dia Ianao sy ilay Vatamasina maneho ny herinao.
9Aoka ny mpisorona hitafy fahamarinana,
ny mpivavaka aminao hihoby an-kafaliana!
10Noho ny amin’i Davida mpanomponao,
dia aza lavina ity mpanjaka voahosotrao.»
11Ny TOMPO efa nanao fianianana tamin’i Davida
ka tsy hivadika amin’ny marina voalazany hoe:
«Iray amin’ireo zanakalahinao no hataoko mpanjaka
handimby anao amin’ny sezafiandriananao.
12Raha ny zanakao mitandrina ny fanekempihavanako
mbamin’ny fepetra izay hampitaiko aminy,
dia zanany lahy hatrany hatrany koa
no hipetraka eo amin’ny sezafiandriananao.»
13Ny TOMPO efa nifidy an’i Tsiôna,
izay tiany hatao fonenana.
14«Intỳ, hoy Izy, no toeram-pitsaharako hatrany.
Eto no honenako! Eny, eto no tiako!
15Hotahîko tokoa i Tsiôna, homeko ny sakafo hivelomany;
hataoko voky hanina ireo mahantra ao aminy.
16Ny mpisorony hotafîko famonjena,
ny mpivavaka hanao hobin-kafaliana.
17Ao no hataoko mpanjaka mahery
ny solofo iray avy amin’i Davida;
ary ho toy ny fanilo maharitra
izany mpanjaka voahosotro izany.
18Ny fahavalony hotafîko henatra,
fa fehiloha manjelatra kosa no eo aminy.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.