Salamo 37 - Malagasy Bible

SALAMO Aza tezitra amin’ny fahombiazan’ny olon-dratsy

1 Nataon’i Davida.

ALEFA

Aza tezitra amin’ny mpanao ratsy

ary aza mialona ireo mpanao heloka;

2fa toy ny ahitra ireny ka malaky malazo,

toy ny vilo-maitso ka mbola hihamaina.

BETA

3Matokia ny TOMPO, manaova ny tsara,

dia honina amin’ny tany nomeny ianao

ka hiaina amim-pilaminana azo antoka.

4Aoka ny TOMPO no hiravoanao,

dia homeny anao izay irîn’ny fonao!

GIMELA

5Ankino amin’ny TOMPO ny fiainanao,

ka itokio Izy fa hanao izay mahasoa.

6Ny rariny anananao hasehony

ho toy ny mazavatsinanana;

ny zo tandrify anao haharihariny

ho tahaka ny mitataovovonana.

DALETA

7Aoka hitombina tsara eo anatrehan’ny TOMPO

ka hiandry Azy amim-paharetana ianao!

Aza tezitra amin’izay mahomby,

dia amin’ny olona manao fetsifetsy.

HE

8Ialao ny hatezerana, avelao ny havinirana;

aza misafoaka fa loza no hiafaran’izany.

9Satria hofongorana ireo mpanao ratsy,

fa izay matoky ny TOMPO no handova ny tany.

VAO

10Tsy ho ela dia hanjavona ny olon-dratsy;

handinika izay nisy azy ianao,

fa tsy hahita na inona na inona.

11Ny malemy fanahy no handova ny tany

ka ho finaritra hombam-piadanam-be.

ZAINA

12Ny olon-dratsy manao hafetsena hamely ny marina

sy mihidy vazana ho fankahalana azy,

13kanjo izy ihomehezan’ny Tompo

Izay mahita fa antomotra ny andro famaliana.

HETA

14Manatsoaka sabatra ireo olon-dratsy

ary koa manenjana tsipîka

mba handavoana ny ory sy ny mahantra

ary hamonoana ny mahitsy fomba fiaina.

15Fa hifotitra ny sabatra eny an-tanany

ka hitsatoka amin’ny fony ihany;

ary ny tsipîkany ho tapatapaka.

TETA

16Aleo ny kely ananan’ny olo-marina

toy izay ny harem-ben’ny olon-dratsy,

17satria ho potika ny fahefàn’ny olon-dratsy

fa ny olo-marina kosa hotohanan’ny TOMPO.

JODA

18Ny TOMPO mitsimbina ny fiainan’ny manan-tsiny,

ka ny tany zara lovany dia ho azy mandrakizay.

19Amin’ny fotoana mahory dia tsy hiraika izy,

ary amin’ny andro mosarena dia hanana izay ilainy.

KAFA

20Eny, ho ringana ny ratsy fanahy

dia ireo fahavalon’ny TOMPO;

ho tahaka ny voninkazo eny an-tsaha izy

ka ho levona, eny, ho levona toy ny setroka.

LAMEDA

21Ny ratsy fanahy misambotra tsy mamerina,

fa ny olo-marina kosa miantra ka manome.

22Izay tahîn’ny Tompo no handova ny tany,

fa izay ozoniny kosa dia ho fongotra.

MEMA

23Rehefa mahafaly ny TOMPO

ny fitondrantenan’olona iray,

dia Izy no hampahery azy

eo amin’ny lalan-kalehany;

24raha solafaka ilay olona,

dia tsy mba hidaraboka

satria tantanan’ny TOMPO.

NONA

25Tanora aho fahiny, fa antitra izao;

kanefa na oviana na oviana aho tsy nahita

olo-marina nilaozan’ny Tompo

na ny zanany lasa mpangataka.

26Miantra isan’andro izy ka mampisambotra,

ary andraisan’ny zanany fitahiana izany.

SAMEKA

27Raha manalavitra ny ratsy ka manao ny tsara ianao,

dia honina maharitra eo amin’ny tany lovanao.

28Satria ny TOMPO mitandro ny rariny

ka tsy mba mandao ny mpivavaka aminy;

hofoanana mandrakizay kosa ny olo-meloka

ary hofongorana ny taranaky ny olon-dratsy.

29Ny olo-marina no handova ny tany,

ka honina mandrakizay ao aminy.

PE

30Fahendrena no lazain’ny olo-marina;

ara-drariny ny zavatra ambarany.

31Ny lalànan’ny Andriamaniny no ao am-pony,

ka tsy mba solafa-mamindra izy.

TSADE

32Tsikilovin’ny olon-dratsy ny olo-marina

ary tadiaviny izay hahafaty azy,

fa tsy avelan’ny Tompo ho azony

na ho voaheloka any am-pitsarana.

KÔFA

33Miankîna am-paharetana amin’ny TOMPO

ka ny lalana soritany no araho;

34dia hasandrany ho mpandova ny tany ianao

sady hahita ny olon-dratsy ho fongotra.

RESA

35Izaho nahita olon-dratsy nanjakazaka

ary nisandrahaka toa sederan’i Libano.

36Nandalo indray aho, dia tsy teo intsony izy,

ary nokarohiko fa tsy nety hita.

SINA

37Diniho ny olom-banona, jereo ny olo-mahitsy,

dia ho tsapanao tokoa fa ny hasambarana

no valiny omena ny olona toy izany.

38Ny olo-meloka kosa dia haringana avokoa:

ny famongorana no valiny omena ny olon-dratsy.

TAO

39Mamonjy ny olo-marina ny TOMPO

sy miaro mafy azy amin’ny andro mahory.

40Manampy sy manafaka azy ny TOMPO,

manafaka azy amin’ny olon-dratsy

ka mamonjy azy noho ireo mialoka aminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help