1 Samoela 27 - Malagasy Bible

I Davida mialokaloka any amin’ny Filistinina

1Hoy i Davida anakampo: «Ho fatin’ny tanan’i Saoly ihany aho indray andro any. Koa ny tsara indrindra amiko dia tsy misy afa-tsy ny mandositra any amin’ny tanin’ny Filistinina. Hatsahatr’i Saoly ny fitadiavany ahy manerana ny faritanin’i Israely, ka dia ho afa-doza aminy aho.»

2Koa lasa i Davida mbamin’ny eninjato lahy mpiara-dia aminy, nankany amin’i Akisy, zanakalahin’i Mahôka sady mpanjakan’i Gata.

3Nitoetra tao amin’i Akisy tany Gata i Davida sy ny olony nombàm-pianakaviana avy, mbamin’ireo vadin’i Davida roa, dia Ahinôhama avy any Jizrehela sy i Abigaîla vady navelan’i Nabala avy any Karmela.

4Rehefa ren’i Saoly fa nandositra any Gata i Davida, dia nijanona tsy nitady azy intsony izy.

5Indray andro dia hoy i Davida tamin’i Akisy:

–Raha tsara fo amiko tokoa ianao, dia aoka aho mba homena toerana iray amin’ny tanàna any ambanivohitra hipetrahako. Fa mpanomponao aho ka nahoana no dia hiara-mitoetra aminao ato amin’ny renivohi-panjakàna?

6Iny andro iny ihany dia nomen’i Akisy azy ny tanànan’i Tsiklàga. Izany no nahatonga an’i Tsiklàga ho an’ny mpanjakan’i Joda mandraka androany.

7Herintaona sy efa-bolana no nitoeran’i Davida tao amin’ny tanin’ny Filistinina.

8Avy tao i Davida sy ny olony no niakatra nanafika ny Gesôrita sy ny Girzita ary ny Hamalekita; fa ireo no mponina hatrizay tamin’izany faritra izany, dia hatrany Sora ka tafapaka any amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.

9Nosimban’i Davida ny taniny, ka tsy nisy lehilahy sy vehivavy niangana na iray aza. Nobaboiny ny ondry aman’osy, ny omby mbamin’ny boriky sy ny rameva, ary ny fitafiana; dia niverina tany amin’i Akisy izy.

10Ka nony nanontany azy i Akisy hoe: «Taiza avy no nanafihanareo androany?», dia novaliany hoe: «Tany amin’ny faritra atsimon’i Joda» na «Tany amin’ny faritra atsimon’ny Jerahimeelita» na koa «Tany amin’ny faritra atsimon’ny Kenita».

11Tsy nasian’i Davida lehilahy na vehivavy iray velona hoentina any Gata, sao dia hisy hiampanga azy hoe: «Izao no nataon’i Davida.» Toy izany hatrany no fanaon’i Davida nandritra ny fotoana nitoerany tany amin’ny tanin’ny Filistinina.

12Natoky an’i Davida i Akisy, satria nihevitra hoe: «Efa nanamaimbo tena tamin’ny Israelita mpiray firenena aminy izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help