Salamo 125 - Malagasy Bible

SALAMO Fiarovana hitan’izay matoky an’Andriamanitra

1 Hira fiakarana.

Izay matoky ny TOMPO:

toy ny tendrombohitra Tsiôna,

tsy mihontsona fa mitombina mandrakizay.

2Tendrombohitra no manodidina an’i Jerosalema;

ny TOMPO koa manodidina ny vahoakany,

hatrizao ka ho mandrakizay

3Tsia, tsy haharitra amin’ny anjaran’olo-marina

ny tehim-panjakàn’olon-dratsy,

sao dia ny olo-marina indray

no hiroso hanao ny tsy rariny.

4Hasoavy, TOMPO ô, ny tsara fanahy

mbamin’ireo olona mahitsy fo.

5Fa izay mivoana any amin’ny lala-miolikolika kosa

dia aoka horoahin’ny TOMPO miaraka amin’ny mpanao ratsy!

Ny fiadanana anie

ho amin’i Israely!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help