Ohabolana 23 - Malagasy Bible

1Raha miara-misakafo amin’ny manampahefana ianao,

dia diniho tsara izay olona eo anoloanao.

2Raha toa ka tendan-kanina ianao,

dia mba tsindrio ny fahazotoan-komanao.

3Aza mitsiriritra ny hanim-piny

fa mety hanina mahavoafitaka izany.

(anatra fahafito)

4Aza misahirana hangoron-karena

ary aza miana-kendry amin’izany.

5Tsy ho hitanao akory ny fahalaniany,

satria toy ny manana elatra izy

ka manidina toa voromahery eny an-danitra.

(anatra fahavalo)

6Aza miara-komana amin’ny kahihitra

ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;

7fa samy hafa ny am-pony sy ny voalazany.

Hoy izy aminao: «Mihinàna, misotroa»;

nefa ny fony tsy miandany aminao akory.

8Haloanao aza izay mba nohaninao

ary ho very maina ny teny mamy nataonao.

(anatra fahasivy)

9Aza miteny eo an-tsofin’ny olona adala

fa tsy horaharahainy akory ny tenim-pahendrenao.

(anatra fahafolo)

10Aza mba mamindra ny baorina tranainy

ary aza maka amin’ny tanin’ny kamboty,

11fa mahery tokoa ilay mpiaro azy

ka hisahana ny adiny aminao.

(anatra faha-11)

12Afantohy amin’ny fanabeazana ny sainao

ary amin’ny tenim-pahalalana ny sofinao.

(anatra faha-12)

13Aza misalasala manafay ny zanakao,

fa tsy ho faty izy akory raha kapohinao.

14Fa raha mikapoka azy ianao,

dia ny fanahiny no ho voavonjinao

tsy ho any amin’ny toeran’ny maty.

(anatra faha-13)

15Anaka, raha hendry ny fonao,

dia ho faly koa ny foko.

16Ho tretrika tokoa aho,

raha amim-pahitsiana no hitenenanao.

(anatra faha-14)

17Aza mialona ny mpanota,

fa manajà ny TOMPO hatrany

18satria azo antoka fa misy ny hoavy

ary tsy ho foana ny fanantenànao.

(anatra faha-15)

19Mihainoa ahy, anaka, ary hendre;

ka mizora amin’ny lala-mahitsy.

20Aza mikambana amin’ny mpimamo divay

na ny mpiletra hena.

21Fa hihamahantra ny mpiboboka sy ny tendan-kanina,

satria be torimaso ka hisaringo-boridamba.

(anatra faha-16)

22Mihainoa ny rainao izay niteraka anao;

ary aza manamavo ny reninao efa antitra.

23Manàna toetra mahatoky, ka aza amidy izany;

aza amidy koa ny fahendrena

sy ny fanabeazana ary ny fahaiza-manavaka.

24Ny ray niteraka olo-marina sy hendry;

dia hibita-karavoana sy hifaly aminy;

25omeo ny rainao sy ny reninao izany fifaliana izany;

eny, aoka hibita-karavoana ilay reny niteraka anao.

(anatra faha-17)

26Anaka, aoka hatoky ahy ny fonao

ary aoka ny masonao hifaly amin’ny sori-dalako.

27Fa mampidi-doza toy ny hady lalina ny mpivarotena

ary toy ny lava-pantsakana ety ny vehivavy vadin’olona;

28manotrika toy ny mpangalatra ireo,

ary manamaro ny lehilahy mpanitsakitsa-bady.

(anatra faha-18)

29Ho an’iza ny alahelo? Ho an’iza ny nenina?

Ho an’iza ny fifandirana? Ho an’iza ny toloko?

Ho an’iza ny ratra tsy amin’antony?

Ho an’iza ny maso mandroroa?

30Ho an’izay mitaraikiraiky amin’ny divay

sy ho an’izay tsy mitsaha-manandrana

fisotro mifangaro misy alikaola.

31Aza mijery ny divay mena

izay manganohano ao anaty kaopy.

Hikoriana moramora ao an-tendanao izy,

32nefa amin’ny farany hanaikitra toy ny bibilava

ary hanindrona toy ny menarana misy poizina.

33Hahita zavatra hafahafa ny masonao;

ary resaka mifanjevo no avoakan’ny eritreritrao.

34Hihevi-tena ho any afovoan’ny ranomasina ianao

ka ho toy izay mandry eny an-tampon’ny lain-tsambo.

35Dia hoy ianao anakampo hoe:

«Nisy nikapoka aho nefa tsy naharary!

Nisy nively aho nefa tsy tsaroako akory!

Raha vantany vao taitra ange aho,

dia hangataka hisotro indray!»

(anatra faha-19)
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help