Salamo 64 - Malagasy Bible

SALAMO Resen’Andriamanitra ny mpanendrikendrika

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida.

2Andriamanitra ô, mitaraina aminao aho ka henoy.

Ny aiko mba arovy amin’ny fahavalo atahorako.

3Afeno aho tsy ho azon’ny olon-dratsy mioko

na ho voan’ny mpanao heloka miray tetika.

4Ranitiny ho toa sabatra ny lelany,

teny mandratra no zana-tsipîka alefany;

5miafina izy mikendry ny olo-mahitsy,

dia mitifitra tampoka, tsy miahotrahotra.

6Mifampirisika izy hanao ratsy

mifampidinika hamela-pandrika

ka manao hoe: «Zovy no hahita antsika?»

7Dia ampiadîny eo ny teti-dratsiny:

«Tomombana tsara ny paikantsika, hoy izy.

Tsy hay fantarina ny ao am-pon’olombelona!»

8Indreo kosa izy tifirin’Andriamanitra

ka voan’ny zana-tsipîka tampotampoka.

9Ny tenin’ireo ihany no mifotitra aminy;

izay rehetra mahita azy, dia mihifi-doha.

10Mitolagaga avokoa ny besinimaro

ka manambara ny asan’Andriamanitra

sady maka anatra avy amin’izany.

11Aoka ny olo-marina hifaly amin’ny TOMPO

sy hanao Azy ho fialofany hatrany;

ary aoka ny mahitsy fo rehetra

hifampiarahaba noho ny aminy!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help