1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida.
2Ny lanitra manambara ny voninahitr’Andriamanitra
ary ny habakabaka mitory ny asa vitany;
3ny andro mitantara izany amin’ny andro mandimby,
ary ny alina milaza izany amin’ny alina manaraka.
4Tsy misy izay miteny na mivolana,
tsy misy izay feo mety ho heno;
5nefa ny rindrany miharihary eran-tany,
ny hafany tonga any am-paran’izao tontolo izao.
Nanorenan’Andriamanitra tranolay
teny ana habakabaka ny masoandro.
6Koa isa-maraina dia miseho ilay izy
toy ny mpampakatra mivoaka ny tranony;
toy ny olo-matanjaka faly maka bahana
mba hanefa ny hazakazaka fanaony.
7Ny faravodilanitra atsinanana no iaingany
ary ny faravodilanitra andrefana no iafarany;
ka, eny amin’ny lalan-kizorany eny,
dia tsy misy afa-miery amin’ny hafanàny.
8Lavorary ny lalànan’ny TOMPO
ka mamelombelona aina.
Mahatoky ny fepetra nataon’ny TOMPO
ka mampahendry ny olon-tsotra.
9Mahitsy ny fitsipiky ny TOMPO
ka mahafaly ny fo.
Mangarangarana ny baikon’ny TOMPO
ka manazava ny fijery.
10Madio ny fanajana ny TOMPO,
ka maharitra hatrany hatrany.
Marim-pototra ny fitsarana avoakan’ny TOMPO
ka ara-drariny avokoa;
11mahasarika noho ny volamena,
dia ny vaingam-bolamena voadio;
sady mamy noho ny tantely,
dia ny tantely avy amin’ny tohotra.
12Tompo ô, izaho mpanomponao
dia hazavain’ireny tokoa;
fa lehibe ny tombontsoa
ho an’izay mitandrina azy.
13Mety manao hadisoana ny olona,
saingy tsy mahatsikaritra akory;
koa mamelà ahy amin’ny ota tsy nahy.
14Arovy tsy ho voan’ny ota iniana aho,
ka aza avela hanan-kery amiko ireny;
dia tsy hanan-tsiny tokoa aho
sady ho afaka amin’ny heloka bevava.
15Hankasitrahinao anie izany teniko
sy izay vetsoko teo anoloanao,
ry TOMPO Vatolampiko
sy Mpanavotra ahy!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.