1Hipetraka maharitra eo amin’ny fiambenako aho
ary hiandry toy ny mpitily eo amin’ny manda
mba hahitako izay holazain’Andriamanitra amiko
sy hahafantarako izay havaliny ny fitarainako.
Ny valin-tenin’Andriamanitra: ny marina sy ny mpamoritra2Dia namaly ahy ny TOMPO ka nanao hoe:
«Soraty izay ambarako anao amin’ny fahitana,
ka sokiro eo amin’ny fàfana
mba ho azo vakîna tsara.
3Fa tsy mbola tonga ny fotoana
hahatanteraka io fahitana io;
kanefa ho avy tsy ho ela ny farany
ary tsy hamitaka velively.
Andraso amim-pahatokiana na toa mitaredretra aza,
fa ho avy tokoa ary tsy hahemotra izany.
4Jereo ange: ny olona feno avonavona
dia tsy milamina ara-panahy;
fa ny marina amin’ny finoana no ho velona.
5Eny, mamitaka ny harena:
Tsy mahatombina mihitsy ny mpiavonavona,
fa homan-dava tahaka ny toeran’ny maty izy
ary tsy mety voky toy ny fahafatesana
ka dia manangona ny firenen-drehetra ho an’ny tenany
sy mamory ny olon-drehetra ho eo ambany fifehezany.
6Ireo vahoaka babo rehetra ireo kosa
dia hiara-manao oha-pitenenana
hanesoesoana sy hanaratsiana azy.»
Ozona dimy: Lozanareo...Eny, ireo vahoaka ireo no hilaza hoe:
«Lozanareo mpangoron-karena
izay mandraoka ny tsy anareo
sady mivesatra ny tsatòka!
Mandra-pahoviana no hanaovanareo izany?
7Hitsangana tampoka ireo tompon-trosa;
hifoha hanery anareo izy,
ka anjarany indray ny handroba anareo.
8Eny, efa namabo firenena maro ianareo,
ka dia mba hobaboin’ny firenena sisa kosa
noho ny olona novonoinareo ho faty
sy ny herisetra vitanareo tamin’ny tany,
dia tamin’ny tanàna sy ny mponina rehetra ao.
9«Lozanareo manangon-karena tsy an-drariny
hanasoavana ny taranakareo.
Mihevi-tena ho ambony toerana ianareo
ka tsy ho tratry ny loza.
10Henatra ho an’ny taranakareo
no hany vokatry ny fanapahan-kevitrareo:
tamin’ny nandringananareo firenena maro,
dia naman’ny mamono tena ianareo.
11Fa na dia ny vato amin’ny rindrina aza
hiantsoantso hiampanga anareo,
ary ny sakamandimby eo amin’ny trano
no hanako hamaly azy.
12«Lozanareo manorina sy manitatra tanàna
amin’ny vono olona sy fanaovan-keloka.
13Koa hiafara amin’ny afo ny asan’ireo vahoaka;
ary zava-poana no isasaran’ireo firenena.
Tsy ilay TOMPOn’izao rehetra izao ve
no iavian’izany zavatra izany?
14Eny, ny fiekena ny TOMPO be voninahitra
dia hanenika ny mponin’ny tany tokoa
tahaka ny anaronan’ny ranobe
ny fanambanin’ny ranomasina.
15«Lozanareo mampisotro poizina ny namanareo
ka mahatonga azy ho mamo sy mitanjaka
mba hijerenareo ny fitanjahany.
16Ho rakotra henatra ianareo fa tsy voninahitra:
Misotroa koa ianareo ka mitanjaha!
hoentin’ny TOMPO hampibobohany anareo
ilay tsangambava feno ny famaizany
ka hiova fahafaham-baràka ny voninahitrareo.
17Fa hanody anareo ny fanimbana ala
nataonareo tany Libano;
naringanareo ny biby tao,
ka biby koa no hampihorohoro anareo.
Izany rehetra izany dia ho tonga
noho ny olona novonoinareo ho faty
sy ny herisetra vitanareo tamin’ny tany
dia tamin’ny tanàna sy ny mponina rehetra ao.
18Atao inona moa ny sarin-tsampy?
Sary sikotry ny mpahay taozavatra ihany ireny
na metaly narendrika hampianatra lainga!
Nahoana ny olona no matoky
izay zavatra noforoniny ihany,
tamin’ny nanaovany sampy moana?
19Lozanareo manao amin’ny tapa-kazo hoe: «Mifohaza!»
sy amin’ny vato moana hoe: «Mitsangàna!»,
nefa tsy afa-kilaza na inona na inona izy.
Eny, fa na dia voapetaka
takela-bolamena sy volafotsy aza ireo,
dia tsy manana aina akory ao anatiny.
20Ny TOMPO kosa ao an-tempoliny masina;
aoka hangina eo anatrehany
ny mponin’ny tany tontolo!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.