Jôela 1 - Malagasy Bible

1Izao no tenin’ny TOMPO tamin’i Jôela zanakalahin’i Petoela.

Andiam-bibikely sy haintany

2Mba henoy izao, ry loholona;

ary atongilano ny sofinareo,

ry mponina rehetra eto Joda.

Efa nisy toy izao ve tamin’ny andronareo

na tamin’ny andron’ny razanareo?

3Tantarao amin’ny zanakareo izao,

dia hotantarainy amin’ireo zanany;

ary ireto kosa hitantara izany

amin’ny taranaka mandimby azy.

4Izay tsy lanim-panday, hanim-balala;

izay tsy lanim-balala, hanim-boangory;

ary izay tsy lanim-boangory, hanin-kijeja.

5Mifohaza ka mitomania,

ry mamolava;

midradradradrà ianareo rehetra,

ry mpisotro divay:

fa tsy hisy ny voaloboka,

ka ho diso divay ny vavanareo.

6Fa misy andiam-bibikely

miakatra mamely ny tanintsika;

Tsy hita isa sady mahery ireo,

ary mpandravarava sy mpandevona

toy ny nifin’ny lion-dahy

na toy ny vazan’ny liom-bavy.

7Nosimbany ny voaloboko

ary nopotehiny ny aviaviko.

Nokikisany sy nohodirany ireny

mandra-pahafotsy ny rantsany.

8Midradradradrà ianareo,

toy ny vehivavy tanora misaona

noho ny amin’ny vady izay vao nampakatra azy.

9Tsy misy entina intsony

ao an-tranon’ny TOMPO

na ny fanatitra vokatry ny tany

na ny fanatitra araraka.

Noho izany, misaona ny mpisorona

dia ireo mpanao fanompoam-pivavahana

amin’ny TOMPO.

10Simba ny saha,

misaona ny tany fambolena;

satria levona ny vary,

maina ny voaloboka

ary malazo ny ôliva.

11Malahelova ianareo mpiasa tany,

midradradradrà ianareo mpamboly voaloboka;

ny amin’ny vary sy ny ôrza,

dia levona ny vokatry ny saha.

12Maina ny voaloboka,

malazo ny aviavimbazaha;

toraka izany koa ny ampongabendanitra

sy ny palmie ary ny paoma,

dia ny hazo rehetra any an-tsaha.

Nihalefy ny fifaliana

teo anivon’ny olombelona.

Fanaingana hifady hanina sy hifona amin’ny Tompo

13Mitafia lamba fisaonana

ary mitomania sy midradradradrà,

ianareo mpisorona

mpanao fanompoam-pivavahana

eo amin’ny alitara.

Avia ianareo hialina amin’alahelo,

ry mpanao fanompoam-pivavahana

amin’Andriamanitro:

fa tsy misy entina intsony

ao an-tranon’Andriamanitrareo

na ny fanatitra vokatry ny tany

na ny fanatitra araraka.

14Manokàna andro fifadian-kanina,

miantsoa fivoriana masina;

angony ny loholona

sy ny mponina rehetra

eto amin’ny tany

ho ao an-tranon’ny TOMPO Andriamanitrareo,

ka miantsoa vonjy amin’ny TOMPO.

Ny androm-pahatezeran’ny Tompo

15Indrisy efa antomotra ny andro,

dia ny androm-pahatezeran’ny TOMPO

izay ho tahaka ny fandringanana

avy amin’ilay Andriamanitra Tsitoha.

16Teo imasontsika teo

no nanafoanana ny hanintsika;

ary lavitry ny tranon’Andriamanitsika

ny fifaliana amam-piravoravoantsika?

17Maina tao ambanin’ny bainga ny voa;

foana ny sompitra,

mirodana ny trano fitehirizana

fa tsy misy intsony ny vary.

18Indrisy fa mitoreo ny biby!

Mihoalahoala ny andian’omby,

satria tsy misy ahitra ho azy.

Eny, mihareraka

hatramin’ny andian’ondry aza.

Vavaky ny mpaminany

19TOMPO ô, mitaraina aminao aho

fa levon’ny afo ny kijana any an-taniefitra;

ary misy lelafo mandoro

ny hazo rehetra any an-tsaha.

20Na dia ny bibidia aza

mitodika miandrandra Anao,

satria ritra ny renirano

ary levon’ny afo ny kijana any an-taniefitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help