Ohabolana 18 - Malagasy Bible

1Ny tia tena dia tsy mitady afa-tsy ny tombontsoany;

fa mampisafoaka azy rehefa mety fanampiana.

2Tsy mahaliana ny adala izay fahaiza-manavaka,

fa ny haneho ny heviny hatrany no sitrany.

3Ny haratsiam-panahy dia mahatonga fanesoana;

ary ny toetra manala baràka dia arahin-kenatra.

4Ny teny aloaky ny vavan’ny olona

dia mety ho lalina toy ny ranomasina

sy hamelombelona toy ny ranondriaka,

ary mety ho loharanom-pahendrena.

5Tsy tsara ny miandany amin’ny olon-dratsy

mba hahatonga ny marina ho resy amin’ny fitsarana.

6Mahatonga fifandirana ny tenin’ny adala,

ary miantso kapoka ny zavatra lazainy.

7Fandringanan-tena ny lazain’ny adala

ary fandrika ho azy ny teny ataony.

8Toa hani-matsiro ny tenin’ny mpanendrikendrika,

ka any anaty kibo no mikorotsaka.

9Izay malaina amin’ny asany

dia efa naman’ny mpanimba zavatra.

10Tilikambo mafy ny anaran’ny TOMPO,

ka ny olo-marina miezaka ho ao dia voaaro tokoa;

11ho an’ny mpanankarena kosa dia ny fananany no toa tanàna mafy,

ary heveriny ho manda avo miaro azy tokoa izany.

12Ny fireharehan’ny olona no mialoha ny faharavàny;

fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.

13Izay mamaly teny tsy henony akory

dia hadalana sy henatra ho azy izany.

14Ny toe-panahy mavitrika dia mandresy ny aretina;

fa zovy kosa no hanarina ny toe-panahy kivy?

15Ny fon’ny manan-tsaina maniry hahazo fahalalana,

ary ny olon-kendry liana hihaino izany.

16Ny fanomezana dia mamoha varavarana ny mpanolotra

ary mampiditra azy eo anatrehan’ny lehibe.

17Amin’ny fitsarana dia izay miteny aloha no toa marina,

mandra-piavin’ny ankilany hanohitra ny voalazany.

18Ny fanontsanan-kodiakely mety mampitsahatra fifandirana

ary mamaha olana eo amin’ny samy mahery.

19Sarotra kokoa noho ny mananika manda

ny manatona rahalahy tafintohina;

ary ny fifandirana dia mafy toy ny hidin-dapa.

20Ny vokatry ny tenin’ny olona no hamelomany tena,

eny, ny vokatr’izay lazainy no hivelomany;

21ny mahafaty sy mahavelona dia miankina amin’ny teny,

ka izay mankamamy miteny no hihinana ny vokany.

22Izay mahita vady mahita fahasambarana;

sady mahazo fanambinana avy amin’ny TOMPO izy.

23Mitalaholaho ny mahantra, rehefa miteny;

fa mihenjana kosa ny mpanankarena, rehefa mamaly.

24Izay maro namana tsy maintsy ho sahirana,

nefa misy sakaiza izay mifikitra noho ny mpiray tampo aza.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help