Hôsea 14 - Malagasy Bible

1Hozakain’ny mponin’i Samaria

ny vokatry ny heloka nataony

fa nikomy tamin’Andriamaniny izy.

Ho faty an’ady ireo,

ho voatorotoro ny zaza;

ary hotatahina kibo

ny vehivavy bevohòka.

Ny fanasitranana ny vahoaka rehefa mibebaka

2Ry Israelita ô, mba miverena

amin’ny TOMPO Andriamanitrareo,

fa ny helokareo no nahalavo anareo.

3Miverena amin’ny TOMPO

ka milazà aminy hoe:

«Avelao avokoa ny helokay;

ary ho solon’ny vantotr’ombilahy fanolotray

dia raiso tsara ireto teninay ireto:

4Tsy i Asiria no hahavonjy anay,

tsy hitaingin-tsoavaly izahay;

ary tsy amin’ny sampy asan-tananay intsony

no hitenenanay hoe: ‹Ry Andriamanitray ô!›;

fa Ianao no mamindrafo amin’ny kamboty.»

5Izaho TOMPO dia hanasitrana

an’ilay Israely amin’ny fiodinany.

Ho tia azy amim-po malalaka Aho;

fa efa nialan’ny fahatezerako izy.

6Ho tahaka ny ando mahasoa azy Aho;

dia hamony tahaka ny lisy izy

ary hamàka tahaka ny hazon’i Libàno.

7Hisandrahaka rantsana izy,

ka ho tsara tarehy toy ny hazo ôliva

ary hamerovero toy ny alan’i Libàno.

8Ho avy indray i Israely,

ka hitoetra eo ambany fiarovako.

Hamboly vary indray izy,

ka hiroborobo tahaka ny voaloboka

sy halaza tahaka ny divay avy any Libàno.

9Hataon’i Efraîma inona intsony izay sampy?

Izaho TOMPO no mamaly vavaka azy

sady mitandrina azy.

Izaho no toy ny kipreso,

hazo maitso mandavan-taona.

Izaho no hahazoany vokatra.

10Iza no hendry hahafantatra

izany tenin’i Hôsea izany,

na lalin-tsaina hahalala ny heviny?

Fa mahitsy ny sori-dalan’ny TOMPO;

ka hizoran’ny olo-marina izany,

saingy hahasolafaka ny mpikomy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help