Salamo 96 - Malagasy Bible

SALAMO Hira vaovao ho an’ny Tompo Izay avy hanjaka(Jereo 1 Tan 16.23-33)

1Mihirà hira vao ho an’ny TOMPO.

Mihirà ho AZY, ry mponin’ny tany tontolo.

2Mihirà ho an’ny TOMPO, misaora ny anarany;

torio isan’andro isan’andro ny namonjeny antsika.

3Ambarao amin’ireo firenena ny voninahiny,

lazao amin’ny vahoaka rehetra ny zava-mahagaga nataony.

4Fa lehibe ny TOMPO ka mendrika hoderaina fatratra

sady mahatahotra mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.

5Tsinontsinona avokoa ireo andriamanitry ny firenen-kafa,

fa ny TOMPO kosa no nanao ny lanitra.

6Fahalehibeazana sy famirapiratana no manodidina Azy

ary hery sy fiandrianana no mameno ny Toeramasiny.

7Ianareo fianakaviamben’ny firenen-drehetra,

tolory haja ny TOMPO fa be voninahitra sy hery.

8Tolory haja ny TOMPO satria be voninahitra Izy.

Mitondrà fanatitra ka midira eo an-kianjan’ny tempoly;

9dia miankohofa eo anatrehan’ny TOMPO,

rehefa miseho ny fahamasinany.

Mangovita eo anoloany,

ry mponin’ny tany tontolo.

10Lazao amin’ny olona hoe:

«Ny TOMPO no mpanjaka!

Voaorina mafy izao rehetra izao ka tsy hihontsona;

hofehezin’ny Tompo araka ny hitsiny ny vahoaka.»

11Aoka hifaly ny lanitra

ary hiravoravo ny tany,

aoka hirohondrohona ny ranomasina

mbamin’izay rehetra ao anatiny,

12aoka hibita-kafaliana ny saha

mbamin’izay rehetra ao aminy,

aoka ny hazo rehetra any an’ala hihoby

13mba hitsena ny TOMPO satria tamy Izy:

eny, tamy Izy mba hifehy ny tany;

dia hifehy ny tontolo araka ny rariny Izy

ary hifehy ny firenena araka ny hitsiny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help