Ezekiela 27 - Malagasy Bible

Hira fisaonana noho ny faharavan’i Tiro

1Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2«Ry ilay taranak’olombelona, manaova ianao hira fisaonana ny amin’ny tanànan’i Tiro,

3izay miorina eo amin’ny vava-ranomasina, ary manao varotra amin’ny firenena maro eny amoron-dranomasina. Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY:

‹Ry Tiro ô, Ianao dia nilaza ny tenanao

ho sambo tsara tarehy fatratra!

4Eny anivon-dranomasina ny faritaninao,

ary nataon’ireo mpandrafitra anao

ho tsara tarehy fatratra ianao.

5Hazo kipreso avy any Senira

no nanamboarany manontolo ny vatan-tsambonao;

hazo sedera avy any Libano

no nalainy hanaovana ny andrin-tsambonao.

6Hazo ôaka avy any Basàna

no nanaovany ny fivoin-tsambonao.

Hazo sedera avy any amin’ny nosy Kitima

izay nasiana sisika ivoary

no nanamboarany ny tokotanin-tsambonao.

7Rongony madinika misoratsoratra avy any Ejipta

no natao lain-tsambonao

mba ho faneva hamantarana anao.

Lamba miloko volomparasy sy jaky

avy any amin’ny nosy Sipra

no natao labasy hiarovana ny entanao.

8Mponina avy any Tsidôna sy Arvada

no nampiasainao ho mpivoy;

ny olona havanana teo aminao

no tantsambonao, ry Tiro ô,

9Mpahay taozavatra avy any Biblôsy,

izay za-draharaha sady kinga,

no mpanamboatra ny simba

amin’ny vatan-tsambonao.

Ny sambo rehetra izay teny an-dranomasina

dia nijanona avokoa teo aminao;

ka ny tantsambony no mividy ny entanao.

10Olona avy any Persia sy Loda ary Ponto

no miaramila nanompo tao amin’ny tafikao.

Nahantony tao anatin’ny tobinao

ny ampingany sy ny fiarovan-dohany,

ka nanomezany laza anao izany.

11Vatan-dehilahy avy any Arvada no niambina ny mandanao niaraka tamin’ny miaramilanao, ary olona avy any Gamada no niaro ny tilikambonao. Nanantona ny ampingany teny amin’ny manda manodidina anao izy. Ireo rehetra ireo no nahatonga anao ho tsara tarehy fatratra›. »

I Tiro renivohitry ny varotra

12«Ny olon’i Tarsîsy no nifanao varotra taminao momba ny harena zavon-tany isan-karazany. Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka no natolony ho takalon’ny entanao.

13Ny olona avy any Gresy sy Tobala ary Mesèka ihany koa dia nifanao varotra taminao, ka olona sy fanaka halimo no natolony ho takalon’ny entanao.

14Ny terak’i Bety-Tôgarmà no nanolotra ny soavaly hoenti-miasa sy ny soavaly hoenti-miady ary ny boriky ho takalon’ny entanao.

15Nifandray ara-barotra taminao koa ny olona avy ao Dedàna. Nitatra tamin’ireo nosy maro ny tsenam-barotrao, ka tandroka ivoara sy hazomainty no natakalony ny entanao.

16Nividy entana betsaka taminao koa ny Edômita, ka vato emeralda sy lamba miloko volomparasy, lamba vita peta-kofehy sy rongony fotsy madinika ary koa akorandriaka sy vato robisy no natolony ho takalony.

17Nifandray ara-barotra taminao koa ny vahoakan’i Joda sy i Israely ka varimbazaha avy any Minita sy ampemba sy tantely sy diloilo ary balsamo no natolony ho takalon’ny entanao.

18Ny mponin’i Damasy dia nifanao varotra taminao momba ny taozavatrao sy ny harenao zavon-tany isan-karazany. Divay avy any Helbôna sy volonondry avy any Tsahara no nataony takalony.

19Avy ao an-tanànan’i Ozala ny mponin’i Vedàna sy i Javàna no manolotra ny vy voatefy sy ny kanela ary ny veromanitra ho takalon’ny entanao.

20Ny olona avy any Dedàna kosa nifandray ara-barotra taminao ka nitondra lamba fandrakofan-tsoavaly.

21I Arabia sy ireo mpitondra rehetra any Kedara dia nifanao varotra taminao. Zanak’ondry sy ondrilahy ary osilahy no natakalony ny entanao.

22Ny mpivarotra avy any Sebà sy Rahemà ihany koa dia nifandray ara-barotra taminao ka zava-manitra ambony karazana sy vatosoa ary volamena no natolony ho takalon’ny entanao.

23Ny ao an-tanànan’i Haràna sy i Kane ary i Hedèna koa dia nifandray ara-barotra taminao toy ireo mpivarotra avy any Sebà mbamin’ireo tanànan’i Asora sy i Kilmady.

24Nivarotra fitafiana mihaja taminao izy, ka entiny eny an-tsenanao ny fitafiana miloko volomparasy sy ny lamba vita peta-kofehy, karipetra misoratsoratra ary tady voarandrana mafy.

25Ireo sambo vaventy no mpitatitra ny entam-barotrao.»

Tohin’ny hira fisaonana momba an’i Tiro

«Toa sambo feno entana ianao

ka navesatra dia navesatra,

teny anivon’ny ranomasina.

26Nentin’ireo mpivoinao teny amin’ny ranobe ianao

ka ny rivotra avy any atsinanana

no nahavaky anao teny anivon’ny ranomasina.

27Ny fanananao sy ny vokatrao

mbamin’ny entam-barotrao rehetra,

ny tantsambonao sy ny mpanampy azy,

ireo mpanamboatra ny simba

amin’ny vatan-tsambonao,

ireo mpivarotra mpanondrana entana,

ny miaramila rehetra niasa tao aminao,

ary ny vahoaka rehetra nandeha taminao,

dia samy nilentika any an-dranomasina

tamin’ny andro naharendrika anao.

28Noho ny fidradradradràn’ireo tantsambonao

dia mangovitra ny mponina amoron-tsiraka.

29Miala ny sambony avy ireo mpivoy rehetra

sy ireo tantsambo rehetra eny an-dranomasina

ka samy maka toerana eny an-tanety.

30Heno migogogogo noho ny manjo anao izy,

sady manao fidradradradrana mafy.

Mandraraka vovoka amin’ny lohany izy,

ary mihosinkosina amin’ny lavenona.

31Manaratra loha sady mitafy gony

noho ny aminao izy,

ka mitomany anao fa mangidy ny manjo

ary mangidy ny fisaonany.

32Tamin’alahelo no niventesany

hiram-palahelovana ny aminao,

dia hiram-pisaonana manao hoe:

Iza no tahaka an’i Tiro

izay tonga mangina ankehitriny

eo anivon’ny ranomasina?

33Rehefa tonga avy any an-dranomasina any ianao

ka nampidinina ny entam-barotrao,

dia firenena maro no voavatsy tamin’izany.

Ny habetsahan’ny harenao aman’entanao

no nampanan-karena ireo mpanjakan’ny tany.

34Ankehitriny novakîn’ny onjan-dranomasina ianao

ary tafalentika ao anaty rano lalimbe.

Ny entanao sy ny vahoaka rehetra nandeha taminao

dia niaraka rendrika taminao avokoa.

35Nalahelo mafy ny aminao

ny mponina rehetra amoron-tsiraka;

raiki-tahotra ny mpanjakany

ka tonga hatsatra ny endriny.

36Ny mpivarotry ny firenen-kafa

dia misiotsioka talanjona ny aminao,

satria tonga fampitahorana ianao,

sady tsy hisy intsony mandrakizay.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help