1Hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy:
2–Jereonao fa nofidiko i Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda,
3ary nofenoiko ny Fanahiko mba ho tena kinga sy marani-tsaina ka mahalala ny haitao isan-karazany:
4hainy ny manao vinavinan’asa, ny miasa volamena sy volafotsy ary halimo,
5ny mandidy ny vatosoa sy mandrafitra azy, ny manao sokitra ny hazo, izany hoe hainy atao ny asa kanto samihafa.
6Ary indro nomeko ho lefiny i Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka, avy amin’ny fokon’i Dana, sady efa nomeko ny fahakingana lehibe izay an’ireo mpahay taozavatra hafa koa. Izy ireo no hiaraka hanatanteraka izay rehetra nandidiako anao hatao:
7dia ny Tranolay fihaonana, ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana, ny saron’ny Vatamasina, ny fitaovana rehetra momba ny tranolay masina,
8ny latabatra voatokana, ny fitoeran-jiro volamena madio sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny alitara fandoroana vovo-javamanitra,
9ny alitara fanaovana sorona sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny tavy fidiovana sy ny faladiany,
10ny lamba fandrakofana ny fanaka, ny fanamiana voatokana hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany,
11ny ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana, ary ny vovo-javamanitra voatokana ho an’ny Toeramasina. Hanaraka tanteraka ny torolalana izay nandidiako anao ny mpahay taozavatra amin’ny fanaovana ireo rehetra ireo.
Ny fanajana ny sabata12Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO,
13mba hamepetra ny Israelita hoe:
–Tsy maintsy hajainareo mihitsy ny andro sabata, satria ny sabata no mariky ny fifandraisako aminareo isaky ny taranaka mifandimby, ka hiekena fa Izaho no TOMPO Izay nifidy anareo ho vahoakako.
14Koa manajà ny sabata, fa andro voatokana aminareo izany. Fa izay tsy manaja ny andro sabata fa manao raharaha amin’io andro io dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita ary hovonoina ho faty mihitsy.
15Misy andro enina hiasana isan-kerinandro, fa ny andro fahafito dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho Ahy TOMPO. Koa izay olona rehetra miasa amin’ny andro sabata dia hovonoina ho faty.
16Tsy maintsy hajain’ny Israelita isaky ny taranaka mifandimby ny sabata satria fanekempihavanana raikitra izany.
17Io andro io hatrany hatrany no ho mariky ny fifandraisana amiko sy amin’ny Israelita; enina andro manko no namoronako ny lanitra sy ny tany, fa tamin’ny andro fahafito dia nitsahatra Aho ary niala sasatra.
18Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nataony tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny an’i Mosesy ny vatofisaka misy ny lalàna izay nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.