1Izao no hafatra nampitondrain’Andriamanitra an’i Habakòka mpaminany.
Ny mpaminany miantso vonjy amin’Andriamanitra2Mandra-pahoviana, TOMPO ô,
no hiantsoako vonjy aminao
nefa tsy henoinao aho?
Mandra-pahoviana tokoa re
no hitarainako ny amin’ny herisetra
nefa tsy vonjenao izahay?
3Nahoana no ampahitanao faharatsiana maro aho?
Nahoana no mijery fotsiny ny fahoriana Ianao?
Fa ny hany manodidina ahy dia famoretana sy herisetra;
ary fitsarana sy fifandirana no mipoaka hatraiza hatraiza.
4Noho izany, dia tsy manan-kery ny lalàna;
ary tsy mivoaka mandresy ny rariny.
Tsy mahaleo ny ratsy fanahy ny olo-marina,
ka izany no ivoahan’ny fitsarana miangatra.
Ny valin-tenin’Andriamanitra: fanafihan’ny Babilônianina5«Banjinonareo ny hafa firenena, hoy ny Tompo.
Ary aoka ianareo ho talanjona tokoa
fa amin’izao andronareo izao no hanaovana asa
izay tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza.
6Fa indro antsoiko ny Babilônianina,
dia ilay firenena masiaka sy tsy mivatravatra;
mitety faritra midadasika ireo
hakàny ny tanin’ny sasany.
7Mahatsiravina sy mahatahotra izy,
fa ny tenany ihany no fenitra
ipoiran’ny zony amam-pahefàny.
8Faingam-pandeha noho ny leôparda ny soavaliny,
ary kinga noho ny amboadia miremby takariva.
Avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny no mitsamboamboatra
ary mirimorimo toy ny voromahery miantoraka amin-kaza.
9Handroba no ahatongavan’izy rehetra,
ka ijereny fatratra ny eo anoloany
ary anangonany babo maro tahaka ny fasika.
10Tsy raharahany akory izay mpanjaka,
ary dia ihomehezany ny mpanapaka.
Tsy mampihontsina azy izay tanànamimanda;
tovon-tany no asavovony, dia afany ireny.
11Mitombo hafanampo izy,
ka mbola manao heloka hatrany.
Izany heriny izany no andriamaniny.
Antso vaovao ataon’ny mpaminanin’Andriamanitra12Hatrizay hatrizay tokoa dia Ianao no TOMPO,
Ianao no Andriamanitro masina sady tsy mety maty!
Ry TOMPO Vatolampy miaro ahy ô,
notendrenao sy nohatanjahinao
ny Babilônianina fahavalonay
mba ho famaizana sy fananarana anay.
13Nefa madio loatra ny masonao ka tsy mahajery ny ratsy;
ary tsy tantinao koa ny mitazana fahoriana.
Koa nahoana no jerenao fotsiny izay ataon’ny mpamitaka?
Ary nahoana no mangina Ianao, Andriamanitro ô,
raha aripaky ny olon-dratsy ny marina noho izy?
14Nahoana re ny olombelona no ataonao
toy ny trondro any an-dranomasina
dia toy ireo biby mifanaretsaka tsy misy mpitarika?
15Toy ny trondro azom-pintana na voafandrika am-bovo
na voasarika amin’ny harato tarihina
no amaboan’ny Babilônianina ireo olombelona;
ary ifaliany sy iravoravoany tokoa izany.
16Koa izany haratony izany no anaovany sorona
izay dorany hanetona ho mari-panajana azy,
satria fitaovana ahazoany sakafo matsiro sy matavy.
17Mbola hanatsoaka sabatra hatrany ve ry zareo,
ka handringana tsisy indrafo ny firenena maro?
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.