Salamo 129 - Malagasy Bible

SALAMO Mafy izay nampahoriana ahy izay!

1 Hira fiakarana.

Mafy izay nampahoriana ahy hatry ny fony kely izay!

–Aoka ny vahoaka Israely hilaza hoe:

2«Mafy izay nampahoriana ahy hatry ny fony kely izay!

Kanefa tsy naharesy ahy ny olon-dratsy.

3Nanoritana vava asa lava ny lamosiko,

toy ny ataon’ny mpiasa tany eo amin’ny sahany.

4Mandala ny rariny kosa ny TOMPO,

ka namaha ny fatorana nataon’ireo tamiko.»

5Aoka ho menatra sy hihemotra

izay rehetra mankahala an’i Tsiôna!

6Aoka izy ho toy ny ahitra an-tampontrano:

tsy mbola ongotana, dia efa maina;

7tsy mahafeno tanana, raha jinjana;

tsy ahazoana amboara, raha angonina;

8ka tsy mampiteny ny mpandalo hoe:

«Notahîn’ny TOMPO Andriamanitrareo ê!»

Amin’ny anaran’ny TOMPO

no irarianay fitahiana ho anareo!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help