Jôba 4 - Malagasy Bible

Fidiran’i Elifaza:Sambatra ny olona izay anarin’Andriamanitra

1Dia nandray fitenenana i Elifaza avy any Temàna ka nanao tamin’i Jôba hoe:

2Tsy misy sahy miteny aminao, satria sorena mafy ianao;

nefa tsy azo atao ny hangina ela intsony.

3Indro efa nanabe olona maro ianao

ary nampahery ireo niraviravy tanana.

4Ny teninao no nampitraka ireo efa saiky lavo;

efa nampatanjaka lohalika mangozohozo ianao.

5Ankehitriny, tojo izany ianao ka kivy,

mby an-koditrao ka mahaketraka anao!

6Satria nanaja an’Andriamanitra ianao

sy nanana fitondrantena mendrika,

ka moa tsy hatoky sy hanantena va?

7Tsarovy izao: efa nahita tsy manan-tsiny

na olo-marina maty nahantra ve ianao?

8Hitako tsara fa izay mamboly tsy fahamarinana

sy mamafy fahoriana no hijinja ny vokany.

9Ny fofonain’Andriamanitra no andringanana azy;

ny fahatezerany no toa rivo-mahery mahalevona azy;

10na mierona toa liona izy na minaonaona toa tigra,

dia tapatapahiny nify ireo toa biby masiaka ireo.

11Lany remby ny bibidia ka maty;

ary ny zanaky ny liom-bavy kosa miparitaka.

*

12Nisy teny izay tonga tamiko mangingina;

ary bitsika malefaka no reko taminy.

13Noho ny eritreritra misafotofoto

vokatry ny nofy amin’ny alina

raha sondrian-tory ny olona,

14dia nangovitry ny tahotra aho

ka nipararetra ny taolako rehetra.

15Ary nisy rivotra nisafo ny tavako

ka nampihoron-koditra ny tenako.

16Nisy endrik’olona mitsangana nefa tsy fantatro,

fa manjavozavo izy no teo anoloan’ny masoko.

Dia nangina aloha, vao nisy niteny hoe:

17«Ho marina sy ho madio ve ny olona

eo anatrehan’Andriamanitra Mpahary azy?

18Indreo ny mpanompony aza tsy atokiany,

ary ny anjeliny mbola ahitany tsininy;

19koa mainka fa izay olombelona

mora potika toa tanimanga,

sady vovo-tany no fiaviany!

ka mety voaporitra tahaka ny fositra.

20Indray andro monja no hahamontsana

sy hahalevona azy mandrakizay;

ka tsy hisy hahatandrintandrina akory.

21Tsy efa tapaka va ny kofehin-dainy?

Ho faty tsy manam-pahendrena izy.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help