Zakarià 8 - Malagasy Bible

Fiadanana sy fahabetsaham-bokatra

1Ary nisy tenin’ny TOMPOn’izao rehetra izao tamiko nanao hoe:

2«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao:

Miredaredam-pitiavana an’i Tsiôna Aho;

eny, miredaredam-pitiavana fatratra azy Aho.

3Koa Izaho TOMPO mihitsy no milaza

fa efa tafaverina indray eto Tsiôna Aho

ka monina eo afovoan’i Jerosalema.

Ny hiantsoana an’i Jerosalema dia «Tanàna mahatoky.»

ary ny hiantsoana an’i Tsiôna tendrombohitro

dia «Tendrombohitra masina.»

4Eny, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao,

mbola hisy lehilahy sy vehivavy antitra

hipetrapetraka eny an-kianjan’i Jerosalema;

ka isan’olona ireo, noho ny fahanterany,

dia samy hitondra tehina an-tanana.

5Ary ny kianjan’io tanàna io koa

dia ho feno zazalahy sy zazavavy milalao.

6Dia hoy ihany Izaho TOMPOn’izao rehetra izao:

Raha sarotra atao ho amin’ireo andro ireo izany

ho an’ny vahoaka israelita sisa velona,

dia tsy ho sarotra atao kosa izany amiko.

Izaho TOMPOn’izao rehetra izao

no manao izany teny hentitra izany.

7Eny, Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia mampanantena

fa ny vahoakako voaeliko dia hovonjeko

avy any atsinanana sy avy any andrefana.

8Hitondra azy avy any Aho,

ka hamponina azy ao Jerosalema;

dia ho vahoakako izy,

ary Izaho ho Andriamaniny

amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana.»

9Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao:

«Mahereza, fa efa renareo ankehitriny

ny fampanantenana izay nambaran’ny mpaminany

tamin’ny andro nametrahana ny fototry ny tranoko

mba hanorenana indray ny tempoliko.

10Talohan’izany andro izany

dia tsy nisy valin-kasasarana

na ho an’ny olona na ho an’ny biby.

Ary tsy nisy olona afa-nivezivezy

ka tsy notandindomim-pahavalo;

fa navelako hifamely ny olon-drehetra.

11Ankehitriny kosa dia tsy toy ny taloha intsony

no ho fitondrako ny sisa amin’ny vahoakako.

Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao teny hentitra

12fa hamafy fiadanana etỳ amin’ny tany Aho

ka hamoa be ny voaloboka

ary hahavokatra ny saha;

ny lanitra hampilatsaka ny orana sahaza,

ary dia homeko ireo soa rehetra ireo

izay sisa velona amin’ny vahoakako.

13Ry fanjakan’i Joda sy i Israely,

toy ny nahatongavanareo ho oha-panozonana

tany amin’ny hafa firenena,

dia toy izany koa ankehitriny

no anafahako anareo

ka hahatonga anareo ho oha-pitahiana;

koa aza matahotra intsony, fa mahereza.»

14Izao manko no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao:

«Tamin’ny nampahatezeran’ny razanareo Ahy,

dia nihevitra hahatonga loza aminareo

Izaho TOMPOn’izao rehetra izao

ka tsy nisalasala nanatanteraka izany.

15Fa ankehitriny kosa dia mihevitra ny hanisy soa

hanisy soa anareo Aho,

mponin’i Jerosalema sy i Joda;

koa aza matahotra intsony ianareo.

16Izao no tsy maintsy hataonareo:

samia milaza ny marina

amin’ny namany avy ianareo;

aoka ho didim-pitsarana ara-drariny

no havoaka eo amin’ny toeram-pitsaranareo

mba hahatonga fiadanana eo aminareo.

17Aza mieritreritra hanisy ratsy ny namana

ary aza mety hianiana lainga,

fa halako ny zavatra rehetra toy ireny.

Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.»

Ho lasa andro fety ny andro fifadian-kanina

18Ary nisy tenin’ny TOMPOn’izao rehetra izao tamiko nanao hoe:

19–Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: ny fifadian-kanina izay tandremanareo amin’ny volana fahefatra sy fahadimy ary fahafito sy fahafolo, dia ho tonga fetim-pifaliana sy firavoravoana mahafinaritra ho an’ny vahoakan’i Joda. Kanefa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.

20Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao:

«Mbola hisy firenena vahiny

sy mponina avy amin’ny tanàna maro

ho tonga indray eto Jerosalema.

21Ary ny mponina ao amin’ny tanàna iray

dia hankany amin’ny mponin’ny tanàna iray hafa

ka hitaona azy hanao hoe

‹Ndao tokoa isika handeha

hivavaka amin’ny TOMPO,

eny, hitady an’ilay TOMPOn’izao rehetra izao.›

Dia hamaly ireo hoe:

‹Izahay koa mba handeha›.

22Eny, olona maro sy firenena matanjaka

no ho tonga eto Jerosalema

hitady Ahy TOMPOn’izao rehetra izao

ka hivavaka amiko.

23Amin’izay andro izay,

hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao,

dia hisy vahiny folo izay samy hafa fiteny

hihazona Jiosy iray amin’ny sisin’akanjony,

ka hitambezo aminy hoe:

‹Mba te handeha hiaraka aminareo izahay,

satria efa renay fa momba anareo Andriamanitra›.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help