1Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy:
2–Manaova trômpetra volafotsy roa tsara voatefy, izay hataonao fiantsoana ny fiangonana sy fampiaingana ny toby.
3Rehefa tsofiny miaraka izy ireo, dia hiangona eo aminao eo anoloan’ny Tranolay fihaonana ny fiangonana iray manontolo.
4Fa raha ny anankiray ihany no tsofina, dia ireo tompon’andraikitra mpifehy arivo amin’ny israelita ihany no hiangona eo aminao.
5Raha arahina hoby kosa ny fitsofana ny trômpetra, dia hiainga ireo izay nitoby teo atsinanan’ny Tranolay fihaonana.
6Raha miverina fanindroany ny fitsofana trômpetra arahina hoby, dia izay nitoby teo atsimo no hiainga. Fitsofana trômpetra arahin-koby no mariky ny fiaingana.
7Ary raha ny fiangonana kosa no antsoina hivory, dia fitsofana lavareny no atao fa tsy arahina hoby akory.
8«Ireo mpisorona taranak’i Aharôna ihany no hitsoka ny trômpetra; lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo izany.
9«Raha hiantafika hiady amin’ny fahavalo izay mamely eo amin’ny taninareo ianareo, dia hotsofina ny trômpetra sady arahina hoby mba hampahatsiarovanareo Ahy TOMPO Andriamanitrareo hitsimbinako anareo ka hamonjeko anareo ho afaka amin’ny fahavalonareo.
10Ary amin’ny andro fety sy ny andro fifaliana ary amin’ny andro voalohan’ny volana dia hotsofinareo ny trômpetra, rehefa manao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana ianareo. Hataonareo izany ho fampahatsiarovana Ahy Andriamanitrareo hitsimbinako anareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»
HATREO SINAY KA HATRANY AMIN’NY SISINTANIN’I MÔABANy fiaingan’ny Israelita11Tamin’ny andro faha-roapolon’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa nialana tany Ejipta, dia niakatra ny rahona niala teo ambonin’ny Tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana
.12Ary niainga tao amin’ny taniefitr’i Sinay ny Israelita. Tany an-taniefitr’i Paràna kosa no nijanona ny rahona.
13Izany no fiaingana voalohany nataon’ny Israelita, araka ny baikon’ny TOMPO nampitain’i Mosesy.
14Ny fanevan’i Joda mbamin’ny antokon-tafiny no niainga voalohany. Ny tafiky ny taranak’i Joda dia notarihin’i Nahasôna, zanakalahin’i Haminadaba;
15ny an’ny fokon’i Jisakara dia notarihin’i Natanaela, zanakalahin’i Tsohara;
16ary ny an’ny fokon’i Zebolòna dia notarihin’i Eliaba, zanakalahin’i Helôna.
17Nahorona ny Fonena-masina, dia niainga nitondra azy ny taranak’i Gersôna sy ny taranak’i Merarỳ.
18Ny fanevan’i Reobena mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga nanaraka ireo: ny tafiky ny taranak’i Reobena dia notarihin’i Elitsora, zanakalahin’i Sedeora;
19ny an’ny fokon’i Simehôna dia notarihin’i Selomiela, zanakalahin’i Tsorisaday;
20ny an’ny fokon’i Gada dia notarihin’i Eliasafa, zanakalahin’i Dehoela.
21Ny niainga manaraka dia ny Kehatita nitondra ny fitaovana masina; ny levita sasany dia nanangana ny tranolay mandra-pahatongan’izy ireo.
22Ny fanevan’i Efraîma mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga manaraka; ny tafiky ny taranak’i Efraîma dia notarihin’i Elisamà, zanakalahin’i Hamihoda;
23ny an’ny fokon’i Manase dia notarihin’i Gamaliela, zanakalahin’i Pedahatsoro;
24ny an’ny fokon’i Benjamîna dia notarihin’Abidàna, zanakalahin’i Gidehônỳ.
25Ny fanevan’i Dàna mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga farany. Izy ireo no vodilaharana; ny tafiky ny taranak’i Dana dia notarihin’i Ahihezera, zanakalahin’i Hamisaday;
26ny an’ny fokon’i Asera dia notarihin’i Pagihiela, zanakalahin’i Hôkràna;
27ary ny an’ny fokon’i Naftalỳ dia notarihin’i Ahira, zanakalahin’i Henàna.
28Izany no filaharan’ny Israelita mbamin’ny antokon-tafiny avy, rehefa niainga izy.
Nitady izay ho mpitari-dalana i Mosesy29Hoy i Mosesy tamin’i Hôbaba zanakalahin’i Rehoela izay terak’i Midiana sady rafozandahin’i Mosesy:
–Mandeha hankany amin’ny tany izay nolazain’ny TOMPO homena anay izahay. Ndeha hiaraka aminay ianao fa homenay anjara amin’ny zava-tsoa nampanantenain’ny TOMPO ho an’i Israely.
30Fa hoy izy namaly azy:
–Tsy handeha aho, fa hody any amin’ny taniko sy ny havako.
31Dia hoy i Mosesy hoe:
–Aza ilaozanao izahay, fa ianao mahafantatra izay toerana azonay itobiana any an-taniefitra, koa dia ho mpitari-dalana anay ianao.
32Raha miaraka aminay ianao, dia homenay anjara amin’ny zava-tsoa hatolotry ny TOMPO anay.
33Niala tao an-tendrombohitry ny TOMPO ireo Israelita ka nandeha lalana telo andro. Nialoha azy ireo tamin’izany lalana telo andro izany ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO mba hitady izay toerana hahafahan’ny vahoaka mitoby.
34Teo ambonin’ny Israelita mba hanaloka azy ny rahon’ny TOMPO nandritra ny andro, tamin’ny fotoana izay niaingany.
35Rehefa niainga ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: «Mitsangàna, TOMPO ô, aoka hihahaka ny fahavalonao, ary handositra anao ny mpankahala!»
36Rehefa nijanona kosa ny Vatamasina, dia hoy i Mosesy hoe: «TOMPO ô, miverena eo anivon’ny fianakaviana anarivoarivon’i Israely».
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.