1I Davida sy ny lehiben’ireo andiana levita voatokana ho an’ny fanompoam-pivavahana dia nanavaka ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna, ho mpampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra, ombàn’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ka izao no isan’ny lehilahy mpanao izany raharaha izany araka ny fanompoany avy:
2Ny an’ny zanakalahin’i Asafa dia ry i Zakora sy i Jôsefa ary i Netanià sy i Asarelà. Ireo zanakalahin’i Asafa ireo dia notarihin’i Asafa rainy izay nampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra araka ny fitarihan’ny mpanjaka.
3Ny an’ny zanakalahin’i Jedotòna dia ry i Gedalià sy i Tserỳ, i Jesahià sy i Simehỳ ary i Hasabià sy i Matitià. Izy enin-dahy ireo dia notarihin’i Jedotòna rainy izay nampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra, ombàn’ny lokanga, mba hankalazana sy hiderana ny TOMPO.
4Ny an’ny zanakalahin’i Hemàna dia ry i Bokià sy i Matanià, i Hoziela, i Seboela, i Jerimôta, i Hananià, i Hananỳ, i Eliatà, i Gidaltỳ, i Rômamtỳ-Hezera, i Jôsbekasà, i Malôtỳ, i Hôtira, ary i Mahaziôta.
5Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Hemàna izay isehoam-pahitana ka mampita amin’ny mpanjaka ireo tenin’Andriamanitra, mba hanandratana ny heriny. Ary zazalahy 14 sy zazavavy telo no efa nomen’Andriamanitra an’i Hemàna.
6Izy rehetra ireo dia samy notarihin-drainy avy no nihira tao an-tranon’ny Tompo, ombàn’ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga; ny hanao fanompoana tao an-tranon’ny TOMPO no raharahany, teo ambany fitarihan’ny mpanjaka mbamin-dry i Asafa sy i Jedotòna ary i Hemàna.
7Ireo rehetra efa havanana amin’ny hira ireo, miaraka amin’ny sokaji-mpihira izay ofaniny koa hihira ho an’ny TOMPO, dia 288 no isany.
8Nanao antsapaka ny anjara raharahany avy izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny efa havanana na ny mbola miofana.
9-31Ka ny antsapaka voalohany dia azon’i Jôsefa; ny faharoa, azon’i Gedalià; ny fahatelo, azon’i Zakora; ny fahefatra, azon’i Jitserỳ; ny fahadimy, azon’i Netanià; ny fahenina azon’i Bokià; ny fahafito, azon’i Asarelà; ny fahavalo, azon’i Jesahià; ny fahasivy azon’i Matanià; ny faha-folo, azon’i Simehỳ; ny faha-11, azon’i Hoziela; ny faha-12, azon’i Hasabià; ny faha-13, azon’i Sobaela; ny faha-14, azon’i Matitià; ny faha-15, azon’i Jeremôta; ny faha-16, azon’i Hananià; ny faha-17, azon’i Jôsbekasà; ny faha-18, azon’i Hananỳ; ny faha-19, azon’i Malôtỳ; ny faharoapolo, azon’i Eliatà; ny faha-21, azon’i Hôtira; ny faha-22, azon’i Gidaltỳ; ny faha-23, azon’i Mehaziôta; ny faha-24, azon’i Rômamtỳ-Hezera. Izy tsirairay avy, mbamin’ny zanany sy havany miaraka aminy, dia samy sokajy misy olona 12 lahy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.