1Ny lehilahy israelita, na isam-batan’olona na loham-pianakaviana, na komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato, na manampahefana, dia samy nanompo ny mpanjaka. Io fanompoana io dia ny raharaha rehetra momba ny antokon-tafika, izay nifandimby isam-bolana mandavan-taona. Isaky ny antokon-tafika dia nisy andiany 24;
2-15ka ireto avy no mpibaiko azy:
Volana voalohany: I Jasôbehama, zanakalahin’i Zabdiela sady isan’ny taranak’i Peretsa; filohan’ireo mpifehy miaramila rehetra izy amin’ny volana voalohany.
Volana faharoa: i Dôday, avy any Ahôa; ilay komandy atao hoe Miklôta no manampy azy.
Volana fahatelo: i Benaià, zanakalahin’i Jôiadà mpisorombe. Lehilahy mahery anisan’ireo «Telopolo lahy» i Benaià; ary rehefa nanjary mpitarika ny «Telopolo lahy» izy, dia i Hamizabada zanany lahy no mpibaiko ny antokon-tafika.
Volana fahefatra: i Hasahela, rahalahin’i Jôaba; ary dia i Zebadià zanany lahy kosa tatỳ aoriana.
Volana fahenina: i Hirà, zanakalahin’i Hikesy, avy any Tekôa.
Volana fahafito: i Heletsa, avy any Peleta, isan’ny taranak’i Efraîma.
Volana fahavalo: i Sibekay, avy any Hosà, isan’ny taranak’i Zera.
Volana fahasivy: i Abihezera, avy any Hanatôta, isan’ny taranak’i Benjamîna.
Volana fahafolo: i Maharay, avy any Netôfa, isan’ny taranak’i Zera.
Volana faha-11: i Benaià, avy any Pirehatôna, isan’ny taranak’i Efraîma.
Volana faha-12: i Helday, avy any Netôfà, isan’ny taranak’i Hôtniela.
Ny filohan’ireo fokon’i Israely16Ireto avy no filohan’ny fokon’i Israely: Tamin’ny fokon’i Reobena, dia i Elihezera zanakalahin’i Zikrỳ. Tamin’ny fokon’i Simehôna, dia i Sefatià zanakalahin’i Mahekà.
17Tamin’ny fokon’i Levỳ, dia i Hasabià zanakalahin’i Kemoela.
Tamin’ny taranak’i Aharôna, dia i Tsadôka.
18Tamin’ny fokon’i Joda, dia i Elihò izay isan’ny rahalahin’i Davida.
Tamin’ny fokon’i Jisakara, dia i Hômrỳ zanakalahin’i Mikaela.
19Tamin’ny fokon’i Zebolòna, dia i Jismahià zanakalahin’i Hôbadià.
Tamin’ny fokon’i Naftalỳ, dia i Jerimôta zanakalahin’i Hazriela.
20Tamin’ny fokon’i Efraîma, dia i Hôsea zanakalahin’i Hazazià.
Tamin’ny antsasa-pokon’i Manase, dia i Jôela zanakalahin’i Pedaià.
21Tamin’ny antsasa-pokon’i Manase tao Gilehada, dia i Jidao zanakalahin’i Zakarià.
Tamin’ny fokon’i Benjamîna, dia i Jahasiela zanakalahin’i Abnera.
22Tamin’ny fokon’i Dana, dia i Hazarela zanakalahin’i Jerôhama.
Ireo no filohan’ny fokon’i Israely.
23Tsy nanisa ny hatramin’ny roapolo taona no ho midina i Davida, satria ny TOMPO efa nilaza hampitombo ny Israelita ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka.
24Nanomboka fanisana i Jôaba zanakalahin’i Tseroià fa tsy namarana, noho ny fahatezeran’Andriamanitra vokatr’izany tamin’i Israely; ka tsy voasoratra ao amin’ilay boky atao hoe «Tantaran’i Davida mpanjaka» ny isan’ny mponina.
25I Hazmavety, zanakalahin’i Hadiela, no mpiandraikitra ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka.
I Jônatàna, zanakalahin’i Hozià, no mpiandraikitra ny trano fitahirizam-bokatra, na tany ambanivohitra na tamin’ny tanàn-dehibe na tamin’ny tanàna kely na tamin’ny tilikambo fiarovana.
26I Hezrỳ, zanakalahin’i Keloba, no mpiandraikitra ny tantsaha mpiasa tany.
27I Simehỳ, avy any Ramà, no mpiandraikitra ny tanimboaloboka. I Zabdỳ, avy any Sefama, no mpiandraikitra ny tahirin-divay any amin’ny tanimboaloboka.
28I Bahala-Hanàna, avy any Bety-Gedera, no mpiandraikitra ny voly ôliva sy aviavy any amin’ny lemak’i Sefelà.
I Jôhasa no mpiandraikitra ny tahirin-diloilo.
29I Sitray, avy any Sarôna, no mpiandraikitra ny omby nandrasana tany Sarôna.
I Safata, zanakalahin’i Hadlay, no mpiandraikitra ny omby nandrasana tan-dohasaha.
30I Ôbila, izay Jismahelita, no mpiandraikitra ny rameva.
I Jehedeià, avy any Merônôta, no mpiandraikitra ny borikivavy.
31I Jaziza, izay Hagrita, no mpiandraikitra ny ondry aman’osy.
Ireo rehetra ireo no mpiandraikitra ny fananan’i Davida mpanjaka.
Ny mpanolotsain’i Davida32I Jônatàna, rahalahin-drain’i Davida sady lehilahy hendry sy be fahalalana, dia mpanolotsain’ny mpanjaka; ary i Jehiela, zanakalahin’i Hakmôny, no teo amin’ny zanaky ny mpanjaka.
33I Ahitôfela koa dia mpanolotsain’ny mpanjaka; ary i Hosay, izay Arkita, no sakaizan’ny mpanjaka.
34Ny nandimby an’i Ahitôfela dia ry Jôiadà zanakalahin’i Benaià sy ry Abiatara. Ary ny komandin’ny tafiky ny mpanjaka dia i Jôaba.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.