1 Salamo nataon’i Davida.
–TOMPO ô, iza moa no horaisina an-tempolinao
sy hahazo toerana eo an-tendrombohitrao masina?
2–Izay tsy manan-tsiny, izay mitandro rariny
ka milaza tokoa ny marina ao am-pony;
3tsy manao teny manendrikendrika olona
sady tsy manisy ratsy ny namany,
na manompa ny mpiara-monina aminy;
4tsy miraharaha izay lavin’Andriamanitra,
fa manaja an’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO,
tsy mivadika amin’ny fianianana vita
na dia maningotra ny tenany aza izany;
5sady tsy mba manisy zana-bola
rehefa mampisambotra
no tsy mba mandray tsolotra
hamelezana ny tsy manan-tsiny.
Izay manao izany sy izany
dia tsy hihontsona na oviana na oviana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.