2 Tantara 22 - Malagasy Bible

Ny nanjakàn’i Ahazià(Jereo 2 Mp 8.25-29; 9.27-29)

1Ary ny mponin’i Jerosalema nampanjaka an’i Ahazià, faralahin’i Jôrama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin’ny andian’olona mpanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Izany no nahatonga an’i Ahazià ho mpanjakan’i Joda.

2Feno 22 taona izy fony vao nanjaka; ary herintaona ihany no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hatalià, zafikelin’i Hômrỳ.

3Nanaraka ny toetran’ireo taranak’i Ahaba koa i Ahazià, satria ny reniny no nanoro hevitra azy hanao ratsy.

4Ka dia nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO toy ny taranak’i Ahaba izy, satria ireo no mpanolotsaina azy taorian’ny nahafatesan’i Jôrama rainy ka nampidi-doza azy.

5Ny torohevitra nomen’ireo azy tokoa no narahin’i Ahazià, ka dia niainga niaraka tamin’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba sady mpanjakan’i Israely avaratra izy mba hiady amin’i Hazaela mpanjakan’i Siria, tao Ramôta-Gilehada. Tamin’izay ny Sirianina dia nandratra an’i Jôrama;

6ary niverina tao Jizrehela izy mba hotsaboina tamin’ny ratra nahavoa azy tany Ramôta, fony izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Dia nankany Jizrehela i Ahazià, zanakalahin’i Jôrama sady mpanjakan’i Joda, mba hamangy an’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba noho izy narary.

7Avy tamin’Andriamanitra ny loza nanjo an’i Ahazià tamin’ny nankanesany hamangy an’i Jôrama; nony tonga manko izy, dia niara-niainga tamin’i Jôrama mba hitsena an’i Jehò, zanakalahin’i Nimsỳ sady nohosoran’ny TOMPO ho mpanjaka mba handringana ny taranak’i Ahaba.

8Dia nampiharin’i Jehò tamin’ny taranak’i Ahaba ny famalian’Andriamanitra; hitany koa ireo manampahefana jodeanina sy ireo zana-drahalahin’i Ahazià izay samy nanompo an’i Ahazià, ka novonoiny ho faty.

9Nampitady an’i Ahazià izy ka tany Samaria niereny no nisy nahita azy; dia nentina ho any amin’i Jehò izy ary novonoina ho faty. Nalevina ihany anefa izy, satria hoy ny olona hoe: «Taranak’i Jôsafata, ilay nitady ny TOMPO tamin’ny fony manontolo, ity.»

Tamin’izay dia tsy mbola nisy afaka nitana fanjakana ny terak’i Ahazià.

Nandrombaka fahefana i Hatalià(Jereo 2 Mp 11.1-3)

10Rehefa hitan’i Hatalià renin’i Ahazià fa maty ity zanany lahy, dia niroso nandringana ny zazalahy rehetra tamin’ny teraky ny andriamanjakan’i Joda izy.

11Kanefa i Jôsebà, zanakavavin’i Jôrama mpanjaka, dia naka an’i Jôasy zanakalahin’i Ahazià ka namonjy azy teo anivon’ireo rahalahiny efa novonoina; ary napetrany tao an’efitrano fandriana niaraka tamin’ny mpitaiza azy. Io Jôsebà vadin’i Jôiadà mpisorona sady zanakavavin’i Jôrama mpanjakan’i Joda io moa dia anabavin’i Ahazià; nafenin’i Jôsebà i Jôasy mba tsy ho hitan’i Hatalià, ka dia tsy mba voavono ho faty.

12Niery enin-taona tao an-tranon’Andriamanitra niaraka tamin’i Jôsebà sy ilay mpitaiza i Jôasy; ary dia i Hatalià no nanjaka teo amin’ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help