Salamo 74 - Malagasy Bible

SALAMO Vavaka noho ny fahasimbàn’ny Tempolin’i Jerosalema

1 Tononkalo fananarana nataon’i Asafa .

Andriamanitra ô, nahoana izahay

no dia narianao tanteraka?

Nahoana izahay andian’ondry fiandrinao

no irehetan’ny fahatezeranao?

2Tsarovy ilay vahoakanao

izay efa azonao hatramin’ny ela,

dia ireo foko navotanao ho fanananao;

tsarovy ny tendrombohitra Tsiôna

izay nataonao fonenana.

3Avia Ianao hijery ireo rava hatry ny ela,

fa nosimban’ny fahavalo avokoa

ny zavatra tanatin’ny toerana masina.

4Tao amin’ny faritra fihaonana aminao

no nihorakorahan’ireo olona mpandrafy Anao

ary nametrahany ny fanevany ho mari-pandresena.

5Ny fisehony tao dia toy ny mpikapa hazo

manainga famaky hitevy ala mikitroka,

6ary nopotehiny tamin’ny famaky sy ny kanonta avokoa

na ny rafitra na ny sokitra tamin’izay.

7Nodorany ilay Toeramasinao;

ary nazerany sy nozimbainy

ilay trano anajanay Anao.

8Hoy izy ireo anakampony hoe:

«Aoka hampahorîntsika izy rehetra;

ary aoka hodorantsika avokoa

ny toeram-pivavahana eto amin’ny tany!»

9Tsy hitanay intsony ny mariky ny fanatrehanao,

tsy misy mpaminany intsony;

ary tsy misy aminay mba mahalala

izay mbola haharetan’izao toe-javatra izao.

10Andriamanitra ô, mandra-pahoviana

no hiteny ratsy Anao ny mpandrafy anay?

Ary moa ny fahavalonay ve

dia tsy hitsahatra hanamavo Anao?

11Nahoana ny tananao ankavanana no nahemotrao

ary fihininao mafy tsy hamonjy anay?

12Kanefa Andriamanitra ô,

Mpanjakanay hatrizay hatrizay Ianao,

mpanao famonjena eto anivon’ny tany.

13Mampisaraka ny ranomasina tamin’ny herinao Ianao,

namakivaky ny lohan’ny dragona teny ambony ranobe,

14nanapotika ny lohan’izany fanany goavana izany

ka nanome ny tenabeny hohanin’ny antsantsa.

15Nanokafanao lalana ny loharano sy ny sakeli-drano,

ary nataonao tankina ny ony tsy mety ritra.

16Anao ny andro, Anao koa ny alina

fa Ianao no nahary ny masoandro amam-bolana.

17Ianao no nametra ny faritra rehetra amin’ny tany,

Ianao koa no nanao ny fahavaratra sy ny ririnina.

18TOMPO ô, izao no mba tsarovy:

miteny ratsy Anao ny fahavalo,

manamavo Anao io firenena adala io.

19Aza atolotra an’ireo bibidia ireo

ny ain’ilay domohina malalanao;

aza hadinoina na oviana na oviana

ny fiainan’ireo olo-mahantranao.

20Hevero ny fanekempihavanana nataonao,

satria feno olona iharan’ny herisetra

ireo fiafenana rehetra ato amin’ny tany.

21Aza avela hiverina amin-kenatra izay nampahorîna;

aoka kosa ny mahantra sy ny malahelo hidera Anao!

22Andriamanitra ô, mirotsaha an-tsehatra

hiandraikitra ny adinao;

tsarovy fa ireo adala ireo

dia miteny ratsy Anao isan’andro.

23Aza hadinoina ny tabataban’ireo mpandrafy Anao,

dia ny horakoraka izay ataon’ireo mpanohitra Anao

ka tsy mitsahatra miakatra any aminao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help