Deoterônômy 32 - Malagasy Bible

1Mihainoa, ry lanitra fa hiteny aho;

ny tany mandrenesa ny lazain’ny vavako.

2Ny anatro anie hitosaka toy ny orana,

dia toy ny oram-batravatra amin’ny vilona;

ny teniko anie hirotsaka toy ny ando,

dia toy ny erikerika amin’ny ahi-maitso.

3Miantso ny anaran’ny Tompo aho;

ry Israelita, ekeo fa lehibe ny Andriamanitsika!

4Ny TOMPO no Vatolampy: lavorary ny asany;

ny sori-dàlany rehetra rariny avokoa.

Andriamanitra mahatoky Izy, tsy misy ratsy eo aminy:

marina sy mahitsy Izy.

5Nanjary simba ianareo,

ka tsy zanany intsony fa feno tsiny;

taranaka melo-tsaina

sady mpivadibadika.

6Moa izany no tokony ho navalinareo ny TOMPO,

ry vahoaka adala, tsy misy fahendrena?

Moa tsy Izy no Rainareo, ka fananany ianareo?

Tsy Izy ve no nanao sy nampiorina anareo?

7Tsarovy ny andro fahiny,

saino ny taona fahagola.

Anontanio ny rainareo sy loholonareo

fa hanambara sy hitantara aminareo.

8Raha nanome zaratany an’ireo firenena ilay Avo

ka nampiely ny taranak’olombelona,

dia nozarazarainy am-paritany ireny

araka ny isan’ireo anjely:

9Anjaran’ny TOMPO kosa ilay vahoakany;

ny taranak’i Jakôba no natokany ho fananany.

10Tany an-taniefitra no nanangonany azy,

dia tany amin’ny tany foana misy bibidia mierona.

Koa nokarakarainy izy, nokolokoloiny,

notandremany tahaka ny anakandriamasony.

11Mova Izy tsy ny voromahery mitaona ny zanany hisidina

ka manaitaitra azy eo ambonin’ny akaniny.

ary mamelatra ny elany handraisany ny reraka

mba hitondrana azy eo ambonin’ny elany?

12Ny TOMPO irery no nitarika ny vahoakany;

tsy nisy andriamani-kafa niaraka taminy.

13Nakariny teo an-tendron-kavoan’ilay tany izy,

nampihinaniny ny vokatry ny saha,

nampitsentsefiny tantely teny an-tsefatsefa-bato,

sy nomeny menaka avy amin’ny faritra vatoana;

14novokisany mena-drononon’omby,

sy rononon’ondry aman’osy izy,

nofahanany henan-janakondry

sy ondrilahy matavy aman’osilahy

ary notolorany vary tsara indrindra

sy ranom-boaloboka ho divay fisotro.

15Koa nihinana ny taranak’i Jakôba, ka voky;

nihanatavy i Jesoròna, ka namely daka.

Eny, tonga natavy izy,

vory nofo sy dongadonga

ka nandao an’Andriamanitra Izay nanao azy

ary nanamavo an’ilay Vatolampy famonjena azy.

16Andriamani-kafa no nampitoviny lanja tamin’ny Tompo,

zava-maharikoriko no naniratsirany Azy;

17ny nanolorany sorona dia lolo izay tsy andriamanitra akory

sady andriamanitra tsy fantany,

andriamani-baovao niseho tatỳ aoriana

sady tsy nohajain’ny razany.

18«Tsy raharahainao, ry Israely,

ilay Vatolampy niteraka anao;

hadinonao ilay Andriamanitra nahitanao masoandro.»

19Hitan’ny TOMPO ka nampisafoaka Azy

ny zanany izay naniratsira Azy;

20dia hoy Izy hoe: «Hanafenako tava ireo,

dia ho hitako izay hiafarany

fa taranaka mpivadibadika

sy zaza tsy mahatoky.

21Ireo no nampitovy lanja Ahy tamin’andriamani-tsiizy

sy naniratsira Ahy tamin’ny sampy tsinontsinona.

Izaho kosa hampitovy lanja azy

amin’izay tsy vahoaka akory;

firenena adala no hampanaratsiako azy.

22Nirehitra ny afon’ny fahatezerako

ka nandoro ny toeran’ny maty,

hatrany amin’ny farany ambany

sy nandevona ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy

ary nampirehitra ny fanambanin’ny tendrombohitra.

HEAVEN-THE DWELLING PLACE OF GOD

NY LANITRA-TOERAM-PONENAN’ANDRIAMANITRA

THE WATER ABOVE THE VAULT

NY RANO AMBONIN’NY HABAKABAKA

VAULT OF HEAVEN

NY HABAKABAKA ANDOHALAMBON’NY LANITRA

EARTH

NY TANY

Pillars of the sky (2)

Andry fanorenan’ny lanitra (2)

Pillars of the earth (3)

Andry fanorenan’ny tany (3)

Sheol

Toeran’ny maty

The Abyss of waters (2)

Ranolalimbe

Early conception of the universe

Fiheverana fahagola ny amin’ny firafitr’izao tontolo izao (Deôterônômy 32.22)

23Havangongoko amin’ny Israelita ny loza

ary holanîko aminy ny zana-tsipîkako;

24hofezahin’ny mosary ireo

sady holevon’ny tazo sy ny areti-mandripaka;

ary halefako hamely azy ny biby masiaka

mbamin’ny bibilava misy poizina.

25Eny ivelany, dia ny sabatra no handringana;

ao an-trano, dia ny tahotra no hahafaty.

Ka samy hiharan’izany avokoa

na zatovolahy na zatovovavy

na zazakely na beantitra.»

26«Nokasaiko haparitaka ireo

ka ho foana eo amin’ny olombelona

ny fahatsiarovana azy,

27raha tsy ny fahavalo hirehaka no natahorako;

mety diso hevitra manko ny mpandrafy azy

ka hiteny hoe: ‹Ny tananay no nahery,

fa tsy ny TOMPO velively no nanao izany.›

28Firenena tsy misaina i Israely

sady tsy manam-pahalalana.

29Raha mba hendry ireo dia ho nahalala izao

sy ho nahafantatra ny hiafarany:

30Fahavalo iraika lahy ve hahenjika Israelita arivo?

Fahavalo roa lahy ve hampandositra Israelita iray alina?

Eny, raha Izaho TOMPO, ilay Vatolampy ianteherany,

no efa nanolotra azy ho eo am-pelatanan’ny fahavalony.

31Na ny fahavalony aza no mitsara,

dia miaiky fa tsy mitovy

amin’ilay Vatolampy ianteheran’i Israely

ny vatolampy izay mba ianteherany.

32Tahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra ihany

ireo fahavalon’i Israely:

tahom-boaloboka mamokatra voaloboka mahafaty

sy sampaho mangidy.

33Ny divainy dia toy ny zava-mahafaty avy amin’ny dragona

ary toy ny poizina mahery avy amin’ny menarana.

34Voatahiry ato amiko izany nafitsok’ireo izany

sady voaisy tombokase ato an-trano firaketako:

35Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana

raha avy izay hahasolafaka ny tongony

fa antomotra ny andro hahitany loza

ary ho avy faingana ny anjara voatendry ho azy.»

36Eny, homen’ny TOMPO rariny tokoa ny vahoakany

rehefa hitany fa lany hery;

hohasoaviny indray ireo manompo Azy

rehefa hitany fa tsy misy ianteherany intsony.

37Amin’izay i Israely hitenenan’ny Tompo hoe:

«Aiza ireo andriamani-kafa

nataonareo ho vatolampy fialofana?

38Ireo no nihinana ny sabora soronareo

sy nisotro ny divay fanatitrareo.

Aoka ireo hitsangana hamonjy anareo

ary ho fierena ho anareo!

39Fantaro ankehitriny fa Izaho ihany no Andriamanitra

ary tsy misy andriamani-kafa miolotra amiko:

Izaho no mahafaty sy mahavelona,

Izaho no maharatra sy mahasitrana,

ary tsy misy mahafaka olona eo am-pelatanako.

40Manangan-tanana amin’ny lanitra Aho,

ka mianiana hoe: ‹Velona mandrakizay Aho,

41ka horanitiko hanelatselatra ny sabatro,

harangarangan’ny tanako ny famaizana,

dia hovaliako ny mpandrafy Ahy

ary hampanodiaviko ny mpankahala Ahy ny ataony.

42Hataoko vonton-dra ny zana-tsipîkako,

dia ny ran’ireo voavono sy voababo;

hotrebotrebonin’ny sabatro ny nofo

mbamin’ny loha lavavolon’ny fahavalo›!»

43Ry hafa firenena, hobio ilay vahoakan’Andriamanitra!

Fa valian’ny TOMPO ny nahafatesan’ny mpanompony;

eny, valiany tokoa ireo mpandrafy Azy,

ary avotany kosa ny taniny mbamin’ny vahoakany.

44I Mosesy dia niaraka tamin’i Josoa, zanakalahin’i Nona, no tonga nilaza manontolo ho ren’ny vahoaka izany tononkira izany.

45Nony tapitra voalazany avokoa tamin’ny Israelita rehetra ireo teny ireo,

46dia hoy i Mosesy taminy:

–Araiketo ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako hiampangana anareo anio; didio ny taranakareo mba himasoany hotanterahina ny teny rehetra raketin’ity Lalàna ity.

47Tsy zava-poana ho anareo izany fa fiainanareo; izany teny izany no hahamaro andro anareo any amin’ny tany izay efa halainareo ho fananana, rehefa tafita an’i Jôrdàna ianareo.

Ambara mialoha ny hahafatesan’i Mosesy

48Androtrizay koa no nitenenan’ny TOMPO tamin’i Mosesy hoe:

49–Mankanesa ianao amin’itsy tandavan-tendrombohitra Habarîma itsy, izay ao amin’ny faritany Môaba, tandrifin’i Jerikao, dia miakara eo an-tampon’ny tendrombohitra Nebao: ary tazano ny tany Kanahàna izay omeko ny Israelita ho fananany.

50Dia aoka ianao ho faty eo an-tampon’io tendrombohitra hiakaranao io ka ho voaangona any amin’ny razanao, tahaka ny nahafatesan’i Aharôna rahalahinao tany an-tampon’ny tendrombohitra Hôra sy nanangonana azy tany amin’ny razany.

51Ianao sy i Aharôna manko dia diso tamiko teo anatrehan’ny Israelita, teo amin’ny ranon’i Meribà any Kadesy, tao an-taniefitra Tsina; tamin’izay no tsy nanehoanareo ny fahamasinako teo anatrehan’ny Israelita.

52Eny, avy lavitra no hitazananao ny tany izay omeko ny Israelita, kanefa tsy hiditra ao ianao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help