Isaià 33 - Malagasy Bible

Izay mandrava, dia horavana

1Lozanao, ry ilay tsy norobaina nefa mandroba

sy ry ilay tsy nofitahina nefa mamitaka.

Rehefa mitsahatra mandrava ianao,

dia mba horavana koa;

ary rehefa mitsahatra mamitaka,

dia mba hofitahina koa.

2TOMPO ô, iantrao izahay fa manantena Anao.

Aoka Ianao no ho herinay isa-maraina

sady ho mpamonjy anay amin’ny androm-pahoriana!

3Mandositra ny vahoaka isan-tokony,

rehefa mandre ny firotsahanao an-tsehatra;

miparitaka ny hafa firenena,

vantany vao miseho ny fahambonianao.

4Miavosa toa fiavosam-balala ny remby;

ary toa firohotr’andiam-balala

no hirohotana mankeo aminy.

5Manerinerina tokoa ny TOMPO,

satria mitoetra any ambony any Izy.

Nofenoiny rariny sy hitsiny ao Tsiôna.

6Hiaina am-pahatokiana ianao, ry vahoakan’ny Tompo.

Ny fahendrena amam-pahalalana

no harem-pamonjena ho anao;

ary ny fanajana ny TOMPO

no raki-tsarobidy ho anao.

Mirotsaka an-tsehatra ny Tompo

7Indreo ny mponin’i Ariela

fa miantsoantso eny an-dalambe,

satria ny iraka mpanambara fiadanana

dia niveri-maina mitomany mafy.

8Foana tanteraka ny arabe,

tsy misy mpandeha intsony eny an-dalana.

Nivadihan’ilay firenena mpanjakazaka

ny fifanekena natao taminy;

nolaviny ny vavolombelon’izany,

ary tsy nasiany hasina ny olona.

9Misaona ny tany ka milofika,

menatra ny tendrombohitr’i Libano ka malazo,

nanjary tany hay ny lemak’i Saròna,

ringitra i Basàna sy i Karmela.

10«Ankehitriny, hoy ny TOMPO,

no hirotsaka an-tsehatra Aho;

ankehitriny no hitraka Aho

ary haneho ny fahalehibiazako.

11Toy ny torontoronina vilona ianareo,

ka miteraka mololo;

koa ny fofonaiko no tahaka ny afo

izay handevona anareo.

12Ny firenen-kafa kosa

hataon’ny afo lasa lavenon-tsokay;

ho toy ny kirihitra tsilo voatomboka

no handripahan’ny afo azy.

13Ianareo lavitra, mihainoa izay nataoko;

ianareo akaiky, fantaro ny heriko.»

14Raiki-tahotra ny mpanota ao Tsiôna,

mangovitra ireo mpihatsaravelatsihy:

«Iza amintsika, hoy izy, no hahajanona

eo anilan’izao afo mandevona izao?

Iza amintsika no hahatanty

an’izao afo tsy misy farany izao?»

15–Izay mandeha araka ny rariny

ka miteny tsy misy olakolaka,

izay mandà ny tombontsoa azo an-keriny

sy manakifika ny tanany tsy handray tsolotra,

izay manampin-tsofina tsy hihaino

ny teny mampirisika hamono olona,

izay manakimpy ny masony

mba tsy hijery ny ratsy.

16Izany olona izany no honina

eny amin’ny toerana avo tsy hay anihina;

ny harambato mafy no ho fialofany,

homena hanina sahaza azy izy

ary hiantohana rano hosotroiny.

Afaka i Jerosalema

17Ny masonao no hijery ny mpanjaka

ao anatin’ny famirapiratany,

ary koa hahita ny tany

araka ny velarany faran’izay midadasika;

18hahatsiaro ilay natahoranao ianao

ka ho velom-panontaniana hoe:

«Nankaiza àry ilay mpanisa

sy mpanamarina ny hetra?

Nankaiza ilay mpanao fisafoana

eny amin’ny tilikambo?»

19Tsy ho hitanao intsony

ilay firenena misetrasetra

sy mampiasa fiteny tsy fantatra

sady miboredika tsy misy ahazoana azy.

20Ndeha topazonao maso i Tsiôna,

fankalazàntsika ny fety firavoravoana,

dia ho hitanao i Jerosalema, fonenana tony tokoa

toy ny lay tsy hahorona intsony,

ka ny tsimatra aminy tsy hongotana

ary ny kofehiny tsy hovahana intsony.

21Eo no hanehoan’ny TOMPO

ny fahalehibiazany amintsika.

Ho faritra hisy renirano

sy ony be velarana izany,

kanefa tsy handehanan’ny sambo mpiady

na hivezivezen’ny sambo vaventy.

22Ny TOMPO no ho mpitarika antsika,

IZY no ho mpanao lalàna ho antsika;

ny TOMPO no ho mpanjakantsika

sy ho mpamonjy antsika.

23Efa mivaha ny tadin-tsambonao,

ka tsy mahatana ny andry intsony

ary tsy ahazoana mampiakatra famantarana.

Amin’izay no hifampizaràna

ny zavatra betsaka nobaboina,

ka na ny mandringa aza dia hahazo anjara.

24Tsy hisy intsony amin’ny mponin’i Jerosalema

hiteniteny hoe: «Marary aho!»

Ny vahoaka mitoetra ao amin’io tanàna io

dia ho voavela heloka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help