1Lozan’i Samaria, tanàna izay satroboninahitra
sady reharehan’ny mpidoroka ao Efraîma!
Erỳ an-tendron’ny lohasaha lonaka izy,
ka ny haingony marevaka dia voninkazo mihamalazo
eny an-dohan’ireo lehilahy mamon-divay.
2Indro misy hery lehibe alefan’ny Tompo
ka toy ny oram-baratra manavandra izany,
toy ny rambon-danitra mpandrava,
toy ny oram-be mandriaka mahatondra-drano:
indray mipaoka monja no androdanan’ny Tompo
ny tanàna manontolo hitrosina amin’ny tany.
3Dia ho voahitsakitsaka am-paladia
ilay tanàna miendrika satroboninahitra,
sady reharehan’ny mpidoroka ao Efraîma.
4Ho voahitsakitsaka am-paladia
ny voninkazo mihamalazo izay haingony marevaka
terỳ an-tendron’ny lohasaha lonaka.
I Samaria dia ho tahaka ny voan’aviavy
masaka alohan’ny fahavaratra,
ka izay mahita azy dia hioty
ary hitelina azy indraim-bava.
5Amin’izany andro izany dia ny TOMPOn’izao rehetra izao mihitsy no hanjary satroboninahitra marevaka, fehiloha sy haingon’ireo sisa velona amin’ny vahoakany.
6Izy no hanome fahaiza-mitsara an’izay mipetraka hitsara ary koa hanome herimpo an’ireo mpanosika ny fahavalo manafika eo anoloan’ny vavahady.
Ireo mpidoroka maniratsira ny mpaminany7Ireto koa misy miraingiraingy noho ny divay
ary mivembena noho ny toaka:
dia ny mpisorona sy ny mpaminany
izay miraingiraingy noho ny toaka
sy mivembena azon’ny divay.
Mivembena azon’ny toaka ireo,
miraingiraingy noho ny fahitana,
ka misafotofoto mamoaka didim-pitsarana:
8Feno loany ny latabatra rehetra misy azy,
ka efa tsy misy toerana madio intsony.
9Dia velom-panontaniana izy hoe:
«Iza no tian’iny Isaià iny hampianarina
sy hanazavana ny fanambaràna azony?
Ankizy vao notazana ve
sa zazakely vao nisara-nono?
10Fa hoy i Isaià amintsika:
TSA ampiana V: TSAV; TSA ampiana V: TSAV.
KA ampiana V: KAV; KA ampiana V: KAV.
Indray mandeha ity, indray mandeha irỳ.»
11Eny, amin’ny fiteny tsy fantatra sy fiteny vahiny
no hitenenan’ny Tompo amin’ity firenena ity!
12Marina fa efa nilazan’ny Tompo tokoa ireo hoe:
«Eto no hahitanareo fialan-tsasatra,
avelao hiala sasatra izay vizana,
fa toerana milamina eto!»
Kanjo tsy nety nihaino ireo.
13Koa ny tenin’ny TOMPO ho azy ireo
dia tonga tsy misy heviny toy ny hoe:
«TSA ampiana V: TSAV; TSA ampiana V: TSAV.
KA ampiana V: KAV; KA ampiana V: KAV.
Indray mandeha ity, indray mandeha irỳ.
Ka farany ho tafintohina izy raha mandeha,
dia hianjera mitsilany ka hahasimba ny voany,
ary hifaningotra tongotra ka tsy ho afa-miarina.
Ny vato fehizoro14Noho izany, mihainoa ny tenin’ny TOMPO
ianareo mpaniratsira
izay mpitondra ity firenena eto Jerosalema ity
15Ianareo manao hoe:
«Efa nanao fifanekena tamin’ny fahafatesana izahay
ary efa nifanaraka tamin’ny toeran’ny maty;
koa na ho avy aza ny loza, dia tsy hahatratra anay,
fa ny lainga no ataonay fiarovana
ary ny fitaka no ataonay fierena.»
16Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY:
«Indro Aho hametraka vato iray ao Tsiôna
mba hizahan-toetra anareo,
dia vato fehizoro sarobidy
natao ho fanorenana mafy;
ka izay matoky azy tsy hihontsina.
17Ny rariny no horaisiko ho hazo mahitsy,
ary ny fahamarinana no hataoko pilao.
Koa hopaohin’ny havandra
ny fiarovan-tsandoka ianteheranareo
ary hindaosin’ny rano ny fierenareo.
18Hofoanana ny fifanekenareo
tamin’ny fahafatesana
ary tsy hateza ny fifanarahanareo
tamin’ny fonenan’ny maty;
koa raha mandalo ny loza mifofofo fiavy,
dia hanapotika anareo.
19Na maraina na antoandro na alina
no andalovan’ny loza,
isaky ny mandalo izany, dia hahatratra anareo,
ka horohoro moa izao raha vao re ny akon’izany!
20Eny, hoy ny ohabolana,
fohy loatra ny farafara
ka tsy misy hitsorana,
ary kely loatra ny lamba
ka tsy ampy hirakofana.
21Fa toy ny teo an-tendrombohitra Peratsima
no hirotsahan’ny TOMPO an-tsehatra,
ary toy ny tao amin’ny lemak’i Gibehôna
no hihetsehany hanao ny asany
sy hanatanteraka ny zavatra ataony.
Kanefa asa hafa kely izany,
zavatra tsy araka ny mahazatra.
22Koa ankehitriny, aza maniratsira intsony ianareo
fandrao hihamafy kokoa ny tady eny am-bozonareo;
satria ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao
no nandrenesako fa efa voatendry
ny handravany tanteraka ity tany ity.
Avy amin’Andriamanitra ny fahendren’ny tantsaha23Koa manongilàna sofina hihaino tsara ahy,
ary tandremo izay lazaiko aminareo:
24Ny tantsaha izay te hanao famafazana
dia tsy revo miasa tany fotsiny
na manoritsoritra sy mandamaka azy.
25Fa rehefa voaravony ny tany,
dia afafiny ny voan’anana nigela na komîna;
avy eo dia alahany ny varim-bazaha sy ny ôrza
amin’ny toerana voafaritra ho azy;
ny ampemba kosa voleny amin’ny sisiny.
26Izany no fomba natoron’Andriamaniny azy;
izany no nampianariny azy.
27Fa tsy fitaovam-pivelezana misy vy
no anintsanam-boa ny nigela,
ary tsy kodian-tsarety
no anintsanam-boa ny komina;
fa tehina no anintsanam-boa ny nigela,
ary fantàka no anintsanam-boa ny komina.
28Saingy ny vary fanao mofo kosa
dia tsy tokony homongoina fa hovelesina;
hampanitsahana ny salohim-bary
ny fitaovam-pivelezana tarihin’omby,
kanefa tsy homongoina tsy akory ny vary.
29Izany koa dia avy amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao,
Ilay maneho fikasana mahagaga
sy fahaiza-manao mahatalanjona.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.