Jôba 6 - Malagasy Bible

Ny valintenin’i Jôba: mitaraina amin’ireo sakaizany izy.

1Dia namaly i Jôba ka nanao hoe:

2Raha mba azo nolanjaina ny fahasosorako

ka natao teo ambony mizana miaraka amin’ny fahoriako,

3dia ho navesatra noho ny fasi-dranomasina;

Izany no nahatonga ahy hiteniteny foana.

4Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipîkan’ny ilay Tsitoha,

ka miely amin’ny tenako ny poiziny.

Ary alahatr’Andriamanitra hamely ahy

izay rehetra mety ho fampitahorana.

5Maneno ve ny borikidia,

raha eo anoloan’ny ahi-maitso?

Ary mimàma ve ny omby,

raha mihinam-bilona?

6Azo hanina tsy misy sira ve ny sakafo matsatso?

Ahitan-tsirony ve ny tapotsin’atody manta?

7Tsy mahatelina ireo ny tendako,

satria sakafo maharikoriko ahy,

*

8Enga anie ka ho to ny faniriako

ary hotanterahin’Andriamanitra ny fanantenako!

9Ho sitrak’Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy;

hoesoiny anie ilay tànam-piarovany

mba hanaperany ny aiko.

10Hibita-kafaliana aho na dia omba-ngirifiry mazana aza

ary hahita fiononana ahay amin’ny hoe:

tsy mba nandika ny didin’Andriamanitra masina.

11Fa tsy manan-kery azoko antenaina aho;

inona intsony no mbola iaretako,

raha tsy misy tanjona iafarako!

12Moa vato ve aho ka hahatanty ny zava-drehetra?

Moa mafy toy ny varahina ve ny tenako?

13Foana ilay fanampiana mba nandrandrain’ny tenako,

fa nesorina tamiko izay mety ho famonjena ahy.

*

14Tokony hiantran-tsakaiza

ny olona efa ketraka,

fandrao tsy hifikitra intsony

amin’Andriamanitra Tsitoha izy.

15Nanodoka ahy toy ny ranotrambo ny rahalahiko,

dia tahaka ny mason-dranon-driaka malaky ritra,

16itosahan’ny rano matromatroka ny riaka,

rehefa miempo ny ranomandry sy oram-panala any erà.

17Fa nony tonga ny hafanambe,

dia ritra ireny ranon-driaka ireny;

ary nony midanika ny masoandro,

dia manjavona ho azy am-pitoerana izy.

18Izany no mampivily lalana ny andia-mpifindralasy,

ka irosoany any an-taniefitra sy mahavery azy.

19Na andia-mpifindralasy avy any Temà

na andia-mpandranto avy any Sebà

dia samy mitazana ny riaka

ary samy manantena azy.

20Diso fanantenana ireo satria samy nanampo,

kanjo nangaihay nony tonga teo.

21Efa toy izany ianareo izao ho an’ity sakaizanareo;

hitanareo ny fahavoazako

ka dia natahotra ianareo.

22Efa nangata-panomezana taminareo ve aho

na niangavy hahafoizanareo ampaham-pananana,

23mba hamonjena ahy amin’ny tanan’ny fahavalo

sy hanafaka ahy amin’ny vahohon’ny mpampahory?

24Ampianaro aho fa vonona ny hangina

ary ampahafantaro ahy ny nahadisoako.

25Ny teny marina tsy mba mandratra;

fa mba inona izay fanomezan-tsiny ataonareo?

26Hanome tsiny ahy noho ny teniko ve ianareo?

Kanefa natao hoentin-drivotra

ireny tenin’olona mamoy fo ireny.

27Ny kamboty aza moa ataonareo antoka loka;

ary sahinareo amidy hatramin’ny sakaizanareo.

28Ankehitriny mba meteza hijery ahy kely

hahitanareo fa tsy mandainga aho akory.

29Diniho indray ange ka aza mitsara tsy marina e!

Eny, diniho indray fa hiharihary ny fahamarinako.

30Misy fitaka ve izay nolazaiko?

Sa izaho no tsy mahay manavaka ny ratsy?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help