Nomerỳ 23 - Malagasy Bible

1Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka:

–Manangàna alitara fito eto ho ahy ary manomàna vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito eo.

2Nataon’i Balàka izay nolazain’i Balahama; avy eo izy roa lahy dia niara-nanatitra vantotr’ombilahy sy ondrilahy iray isan’alitara.

3Dia hoy i Balahama tamin’i Balàka:

–Mijanòna ihany eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho kosa hihataka kely hijery raha ho avy hihaona amiko ny TOMPO na tsia; koa izay hasehony amiko dia hambarako anao.

Ary lasa i Balahama nankany amin’ny tendrombohitra anankiray mangadihady.

4Nisehoan’Andriamanitra teo i Balahama ka nilaza taminy hoe:

–Efa voatsangako ireo alitara fito ary efa voaatitro koa ny vantotr’ombilahy sy ny ondrilahy iray avy isan’alitara.

5Nanisy teny tao am-bavan’i Balahama ny TOMPO, ary dia nanasa azy hiverina any amin’ny mpanjaka mba hilaza izany aminy.

6Dia niverina tany amin’i Balàka izy, ka nahita azy nijoro teo akaikin’ny sorona nataony sady tafaraka tamin’ireo olo-mana-kaja môabita rehetra.

7Dia nanao izao tononkalo manaraka izao i Balahama:

«I Balàka, mpanjakan’i Môaba,

dia nampaka ahy avy any Siria,

avy any amin’ny tendrombohitra

amin’ny ilany atsinanan’izany tany izany.

Avia, hoy izy tamiko,

hanozona ny taranak’i Jakôba;

avia handrahona ny Israelita.

8Hataoko ahoana anefa no fanozona

izay tsy mba nozonin’Andriamanitra?

Ary hataoko ahoana koa no fandrahona

izay tsy mba norahonan’ny TOMPO?

9Rehefa jereko avy eto an-tampon’ny vatolampy

ary rehefa tazaniko avy eto an-tampon-kavoana

izany vahoaka israelita izany,

dia vahoaka mitoka-monina no fahitako azy,

sady miavaka amin’ny firenen-kafa rehetra.

10Zovy no mahisa ny taranak’i Jakôba

izay marobe tahaka ny vovotany

na mahisa ny ampahefatry ny Israelita?

Enga anie ny fahafatesako

ho toy ny fahafatesan’ireo olo-marina ireo,

ary enga anie ny fiafaràko

ho toy ny fiafaràn’ny vahoaka israelita!»

11Dia hoy i Balàka tamin’i Balahama:

–Fa inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nitondrako anao atỳ, kanefa dia ny nitsodrano azy indray no nataonao!

12Fa novalian’i Balahama hoe:

–Moa tsy ny hilaza izay teny nataon’ny TOMPO tao am-bavako ihany ve no andraikitro.

Tsodrano faharoa nataon’i Balahama

13Dia hoy indray i Balàka tamin’i Balahama:

–Andeha hiaraka amiko any amin’ny toeran-kafa izay hahitanao ny Israelita rehetra. Ampahany ihany mantsy no hitanao teto fa tsy ny vahoaka manontolo. Ka avy eo amin’izany toerana izany no hanozonanao azy.

14Dia nentin’i Balàka teo amin’ny saha Tsôfima tao an-tampon’i Pisgà i Balahama; nanorina alitara fito teo ny mpanjakan’i Môaba ka nanatitra vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray isan’alitara.

15Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka:

–Mijanòna eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’Andriamanitra.

16Nisehoan’ny TOMPO i Balahama ka nilazany izay teny hampitainy amin’i Balàka; ary nasainy hiverina any amin’ny mpanjaka izy mba hanambara izany aminy.

17Dia lasa izy niverina tany amin’i Balàka izay mbola teo anilan’ny sorona nataony sady tafaraka tamin’ny olo-manan-kaja môabita. Ary hoy i Balàka taminy:

–Inona no nolazain’ny TOMPO?

18Dia nanao izao tononkalo manaraka izao indray i Balahama:

«Mitsangàna, ry Balàka zanakalahin’i Tsipôra,

atongilano amiko ny sofinao, ka mihainoa.

19Andriamanitra tsy mba olona ka handainga,

na taranak’olombelona ka hanenina.

Izay nolazainy dia hoefainy;

izay nampanantenainy dia hotanterahiny.

20Efa nekeko ny hitsodrano ity vahoaka ity;

ary efa nitsodrano azy rahateo ny TOMPO

ka tsy afaka hanova na inona na inona aho.

21Tsy nahita tsiny tamin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO

na faharatsiana teo amin’ny vahoaka israelita.

Ny Tompo Andriamaniny no momba azy,

ka anaovany fihobiana toy ny mpanjakany.

22Nentin’Andriamanitra niala tany Ejipta

izany vahoaka izany

ka manan-kery tsy hay tohaina

tahaka ny an’ny omby dia.

23Tsy mba misy fanaovan-tsikidy

eo amin’ny taranak’i Jakôba;

tsy mba misy fankatovana

eo amin’ny vahoaka israelita.

Fa amin’izay fotoana sahaza

no hampahafantarana azy

ny zavatra ataon’Andriamanitra.

24Indro io vahoaka io

fa mitsangana toy ny bibidia masiaka,

ary mijoro tahaka ny liona,

izay tsy mandry raha tsy voky remby

sy mamon’ny ran’ny biby voahazany.»

25Dia hoy i Balàka tamin’i Balahama:

–Rehefa tsy hanozona ny Israelita ianao, dia aoka mba tsy hitsodrano azy kosa!

26Fa hoy ny navalin’i Balahama azy:

–Moa tsy efa niteny taminao ve aho fa izay rehetra holazain’ny TOMPO ihany no hataoko?

Tsodrano fahatelo nataon’i Balahama

27Dia hoy koa i Balàka tamin’i Balahama:

–Andao fa hoentiko any amin’ny toeran-kafa indray ianao; angamba hoeken’Andriamanitra amin’izay ny hanozonanao io vahoaka io any.

28Dia nentin’i Balàka i Balahama ho eo an-tampon’i Pehôra izay manoloana ny taniefitra.

29Ary hoy i Balahama tamin’i Balàka:

–Manangana alitara fito eto ho ahy ary manomàna vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito eo.

30Dia nataon’i Balàka izay nolazain’i Balahama ka nanatitra vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray isan’alitara izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help