Deoterônômy 23 - Malagasy Bible

1Tsy misy olona mahazo miray amin’ny vadin-drainy, fa mahavery zo aman-kasina an-drainy izany.

Ny amin’ny olona tsy mahazo mandray anjara amin’ny fiangonan’ny Israelita

2Ny lehilahy torotoro vihina na tapaka filahiana dia tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO.

3Ny zazasary dia tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO; na ny taranany fahafolo aza, dia tsy hahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO.

4Ny Hamônita sy ny Môabita dia tsy mahazo miditra na oviana na oviana ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO; na ny taranany fahafolo aza, dia tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO.

5Tsy nitsena sakafo sy rano anareo teny an-dalana manko ny Hamônita sy ny Môabita fony ianareo niala tany Ejipta; sady ry zareo Môabita koa no nampaka an’i Balahàma, zanakalahin’i Behôra, avy tany Petôra any Mezôpôtamia, ary nanamby vola azy mba hanozona anareo.

6Kanefa ny TOMPO Andriamanitrareo tsy nety nihaino an’i Balahàma, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anareo IZY noho ny fitiavany anareo.

7Aza mitady izay hiadanan’ireo firenena ireo na izay hahasoa azy na oviana na oviana ianareo amin’ny andro rehetra hiainanareo.

8Aza hamavoinareo ny Edômita, satria taranaky ny mpiray tampo izy mbaminareo. Aza hamavoinareo koa ny Ejiptianina, satria efa mba vahiny tany amin’ny taniny ianareo.

9Ny valovotak’ireo firenena roa tonta ireo, manomboka eo amin’ny taranaka fahatelo, dia hahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO.

10Raha eo am-pitobiana hanafika fahavalo ianareo, dia fadio ny zava-dratsy rehetra.

11Raha eo aminareo no misy miaramila tsy madio satria nanary lahinaina tsy nahy tamin’ny alina, dia hivoaka ny toby izy ary tsy hiditra ao.

12Handro izy rehefa harivariva, ary mahazo miverina eo amin’ny toby indray nony tokony ho maty masoandro.

13Aoka hisy tany voafaritrareo any ivelan’ny toby mba ho fivoahanareo.

14Ary mitondrà fantàka miaraka amin’ny fiadianareo; ka raha hihataka hivoaka ianareo, dia io fantàka io no hihadianareo lavaka hivoahana sy hanotofanareo ny dikinareo.

15Mandeha eo afovoan’ny tobinareo ilay TOMPO Andriamanitrareo mba hiaro anareo sy hampanaiky resy ny fahavalonareo; ka dia ho faritra masina ny tobinareo, ary tsy tokony hahita zava-maharikoriko eo aminareo ny Tompo mba tsy hialany aminareo.

Ny amin’ny mpanompo mandositra

16Aza atolotrareo ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mialoka eo aminareo.

17Eo aminareo no honenany, dia eo amin’ny toerana izay fidiny ao amin’ny tanànanareo mba hahafinaritra azy; fa aza mampahory azy ianareo.

Ny fijangajangana ho fanompoan-tsampy

18Aoka tsy hisy vehivavy na lehilahy israelita hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.

19Aza ekena hoentina eo an-tranon’ny TOMPO Andriamanitrareo mba hanefana voady na ny tangim-behivavy janga na ny karaman’alikalahy: ireo zavatra anankiroa ireo manko dia samy zava-mahatsiravina eo imason’ny TOMPO Andriamanitrareo.

Ny mampanàna zavatra

20Aza mampanàna zavatra amin’ny mpiray firenena ianareo, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampananàna.

21Ny olona hafa firenena ihany no azonareo ampananàn-javatra, fa ny mpiray firenena kosa tsy hanaovanareo izany; dia hotahîn’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo amin’ny zavatra rehetra hataonareo, any amin’ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.

Ny voady

22Raha mivoady hanao sorona na fanatitra amin’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, dia aza ela fanefa; raha tsy izany kosa dia hanadinany anareo tokoa ilay voady ka ho fahotana aminareo.

23Fa raha tsy mivoady ianareo, dia tsy fahotana aminareo izany.

24Izay aloaky ny vavanareo dia imasoy hotanterahina, araka ny voady an-tsitrapo notononin’ny vavanareo tamin’ny TOMPO Andriamanitrareo.

Ny zo hioty voankazo na salohim-bary

25Raha ianareo sendra mandalo ny tanimboaloboky ny namanareo, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky; fa aza mitondra mody.

26Raha ianareo sendra mandalo ny tanimbarin’ny namanareo, dia mahazo mioty salohim-bary amin’ny tananareo; fa aza jinjanareo antsy ny variny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help