1Tamin’ny taona faha-15 nanjakan’ny amperôra Tibèry –fony i Pônty Pilato no nifehy an’i Jodea, i Herôda no nanjaka tao Galilea, i Filipo rahalahiny no nanjaka tao Itorea sy Trakônitida, i Lisania no nanjaka tao Abilèna,
2ary i Hàna mbamin’i Kaiàfa no mpisorombe – dia tonga tamin’i Jôhany zanakalahin’i Zakarià tany an-taniefitra ny tenin’Andriamanitra.
3Dia lasa i Jôhany nitety ny faritany manontolo amoron’ny ony Jôrdàna sady nanao antso avo hoe:
–Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan’Andriamanitra ny helokareo.
4Izany dia araka ny voalazan’ny Soratra Masina ao amin’ny boky mirakitra ny tenin’i Isaià mpaminany hoe:
«Injany misy feon’olona miantso mafy any an-taniefitra hoe:
Amboary ny lalan’ny Tompo;
ahitsio ny hizorany.
5Ny lohasaha rehetra hototofana;
ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry.
Ny miolakolaka hahitsy
ary ny mikitoantoana harenina:
6dia ho hitan’ny olombelona rehetra ny famonjena avy
amin’Andriamanitra!»
7Toy izao àry no tenin’i Jôhany tamin’ny vahoaka nidodododo hataony batisa:
–Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba tsy ho tratry ny fahatezeran’Andriamanitra izay efa antomotra?
8Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. Ary aza manao anakampo hoe: «Manana an’i Abrahama ho razambenay izahay!» Satria lazaiko aminareo fa hain’Andriamanitra ny manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.
9Indro efa eo am-poto-kazo rahateo ny famaky: koa ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara, dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
10Ary hoy ny vahoaka nanontany an’i Jôhany hoe:
–Inona àry no tokony hataonay?
11Dia novaliany hoe:
–Izay manana akanjo roa, aoka hizara amin’izay tsy manana; ary izay manan-kohanina, aoka hanao toy izany koa.
12Mba nisy koa mpamory hetra tonga hatao batisa ka niteny tamin’i Jôhany hoe:
–Mpampianatra ô, inona no tokony hataonay?
13Dia novaliany hoe:
–Aza mitaky mihoatra noho izay voafetra halainareo.
14Nisy ihany koa miaramila nanontany azy hoe:
–Mba inona kosa no tokony hataonay?
Dia hoy izy taminy:
–Aza maka zavatr’olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin’ny karamanareo.
15Velom-panantenana tokoa ny vahoaka ary samy nieritreritra tao am-pony hoe: «I Jôhany va re sa tsia no Mesia?»
16Fa i Jôhany kosa niteny tamin’izy rehetra hoe:
–Ny ahy, rano no anaovako batisa anareo. Indro tamy kosa ilay Mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho; ny Azy, ao amin’ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo.
17Eny an-tanany ny fikororohana hanadiovany tanteraka ny vary eo am-pamoloana: ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.
18Fananarana maro samihafa koa no nanambaràn’i Jôhany ny Vaovao Mahafaly tamin’ny olona.
19Notsinîn’i Jôhany hatrany kosa i Herôda mpanjaka noho izy naka an’i Herôdiada vadin-drahalahiny ary noho ny ratsy hafa rehetra vitan’ity mpanjaka.
20Kanjo vao mainka nanampy heloka indray i Herôda, fa nanidy an’i Jôhany tao am-ponja.
Atao batisa miaraka amin’ny vahoaka i Jesoa(Jereo Mt 3.13-17; Mk 1.9-11)21Indray andro, raha mbola natao batisa ny vahoaka rehetra, dia mba natao batisa koa i Jesoa. Ary nivavaka Izy nandritra izany, ka nisokatra ny lanitra.
22Dia nidina teo ambonin’i Jesoa ny Fanahy Masina, niendri-batana toa voromahailala; sady nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:
–Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako!
Taranak’i Abrahama sy taranak’i Adama i Jesoa(Jereo Mt 1.1-17)23Tokony ho telopolo taona i Jesoa fony nanomboka ny asany, ka noheverin’ny olona fa zanak’i Jôsefa, zafin’i Helỳ,
24zafiafin’i Matatà, zafin-dohalik’i Levỳ, zafin-kitrokelin’i Melkỳ, zafim-paladian’i Janày, ary zafin-dorian’i Jôsefa;
25dia i Jôsefa zanakalahin’i Matatîa, zafin’i Amôsa, zafiafin’i Nahoma, zafin-dohalik’i Jeslỳ, zafin-kitrokelin’i Nagày,
26zafim-paladian’i Mahàta, ary zafin-dorian’i Matatîa; dia i Matatià zanakalahin’i Semehỳ, zafin’i Jôsèka, zafiafin’i Jôdà,
27zafin-dohalik’i Jôhanàna, zafin-kitrokelin’i Resà, zafim-paladian’i Zerobabèla ary zafin-dorian’i Sealtièla; dia i Sealtièla zanakalahin’i Nerỳ,
28zafin’i Melkỳ, zafiafin’i Adỳ, zafin-dohalik’i Kôsàma, zafin-kitrokelin’i Elmadàma, zafim-paladian’i Era,
29ary zafin-dorian’i Josoa; dia i Josoa zanakalahin’i Eliezèra, zafin’i Jorîma, zafiafin’i Matàta, zafin-dohalik’i Levỳ,
30zafin-kitrokelin’i Simehôna, zafim-paladian’i Jodà, ary zafin-dorian’i Jôsefa; dia i Jôsefa zanakalahin’i Jônàma, zafin’i Eliakîma,
31zafiafin’i Meleà, zafin-dohalik’i Menà, zafin-kitrokelin’i Matatà, zafim-paladian’i Natàna, ary zafin-dorian’i Davida;
32dia i Davida zanakalahin’i Jisay, zafin’i Ôbeda, zafiafin’i Bôhaza, zafin-dohalik’i Salà, zafin-kitrokelin’i Nahasôna,
33zafim-paladian’i Haminadàba, ary zafin-dorian’i Admîna, dia i Admîna zanakalahin’i Arama, zafin’i Arnỳ, zafiafin’i Hesrôna, zafin-dohalik’i Peretsa, zafin-kitrokelin’i Jodà,
34zafim-paladian’i Jakôba, ary zafin-dorian’i Itsehàka; dia i Itsehàka zanakalahin’i Abrahama, zafin’i Terà, zafiafin’i Nahôra,
35zafin-dohalik’i Seròga, zafin-kitrokelin’i Rehò, zafim-paladian’i Falèga ary zafin-dorian’i Ebèra; dia i Ebèra zanakalahin’i Salà,
36zafin’i Kainàma, zafiafin’i Arfaksàda, zafin-dohalik’i Sema, zafin-kitrokelin’i Noà, zafim-paladian’i Lamèka,
37ary zafin-dorian’i Metosalà; dia i Metosalà zanakalahin’i Henôka, zafin’i Jarèda, zafiafin’i Malaleèla, zafin-dohalik’i Kainàma,
38zafin-kitrokelin’i Enôsa, zafim-paladian’i Sèta ary zafin-dorian’i Adama, dia i Adama zanak’Andriamanitra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.