Zakarià 14 - Malagasy Bible

Ny ady farany sy ny fahatongavan’ny Tompo

1Indro akaiky ny andron’ny Tompo.

Ka eo imasonareo, ry mponin’i Jerosalema,

no hifampizaràn’ny hafa ny fanananareo.

2Ary hangonin’ny Tompo ny firenen-drehetra

hamely an’i Jerosalema;

dia azon’ireo ny tanàna,

ka horobainy ny trano

ary hanaovany an-keriny ny vehivavy;

ny antsasaky ny mponina dia ho lasan-ko babo

fa ny vahoaka sisa kosa ho afa-mijanona ao an-tanàna.

3Dia hiainga hiady amin’ireny firenena ireny ny Tompo,

ka hiady toy izay fanaony amin’ny andro fiadiana.

4Amin’izany andro izany Izy dia hitsangana

eo amin’ny tendrombohitra Analanôliva

izay eo atsinanan’i Jerosalema.

Ary hitresaka roa ny tendrombohitra Analanôliva

ka hisy lohasaha lehibe iray hiseho eo afovoany,

manomboka avy any atsinanana no miankandrefana;

ny antsasaky ny tendrombohitra

dia hifindra hianavaratra,

fa ny antsasany kosa hianatsimo.

5Dia io lohasaha nampivaky tendrombohitra io

no lalana handosiranareo,

satria hipaka hatrany Atsala izany.

Eny, handositra ianareo,

dia tahaka ny razanareo

nandositra ny horohorontany

tamin’ny andron’i Hozià mpanjakan’i Joda.

Ary ho avy ny Tompo Andriamanitro

miaraka amin’ireo anjeliny rehetra.

6Amin’izany andro izany

dia tsy hilaina intsony

ny fahazavan’ny masoandro;

tsy hisy intsony koa na ny hatsiaka na ny fanala.

7Dia ho andro fahizay lalandava;

ka tsy hisy andro sy alina miavaka intsony,

fa hazava hatrany na dia ny alina aza.

Ary ny Tompo irery no mahalala

ny fotoana hisehoan’izany.

8Ary amin’izany andro izany

dia hisy loharano hifantsitsitra

mandavantaona avy ao Jerosalema;

ka ny antsasany hivarina any amin’ny Ranomasina Maty

ary ny antsasany any amin’ny Ranomasina Mediteranea.

9Amin’izany andro izany ny Tompo

dia hanjaka amin’ny tany manontolo.

Izy irery ihany no Andriamanitra hivavahana,

ary ny anarany irery no hoeken’ny olon-drehetra.

10Hovana lemaka ny faritra manontolo

manodidina an’i Jerosalema,

manomboka any Gebà any avaratra

ka hatrany Rimôna any atsimo.

I Jerosalema dia hisandratra

ambonin’ireo tany manodidina azy;

ary ny tanàna dia hitatra

manomboka eo amin’ny vavahadin’i Benjamîna

ka hatramin’ny vavahadin-joro,

dia eo amin’ny toeran’ny vavahady tranainy,

ary koa manomboka eo amin’ny tilikambon’i Hananehela

ka hatramin’ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.

11Ho azo ipetrahana fahizay ao an-tanàna,

fa tsy hisy intsony ny fandravana azy;

ary dia handry fahalemana i Jerosalema.

12Ary izao no aretim-be hamelezan’ny Tompo

ny firenen-drehetra izay niady tamin’i Jerosalema:

ho simba nofo dieny mbola velona ny olona,

ho levona ho azy ao amin’ny fitoerany ny masony,

ho tahaka izany koa ny lela ao am-bavany.

13Amin’izany andro izany dia hasian’ny Tompo

fifanjevoana tsy hifankahitana ao aminy,

fa samy hanainga tanana hifamely izy.

14Ny lehilahin’i Joda hiady mba hiaro an’i Jerosalema,

ary haka ny haren’ny firenena rehetra manodidina:

koa dia hangoniny ny volamena sy ny volafotsy

mbamin’ireo fitafiana marobe.

15Ary hisy aretim-be toy izany koa

hamely ny biby rehetra ao an-tobim-pahavalo,

dia ny soavaly sy ny ampondra

ary ny rameva sy ny boriky

mbamin’ny biby fiompy hafa rehetra ao.

16Amin’izany andro izany, ny sisa amin’ireo firenena,

izay niady tamin’i Jerosalema,

dia hiakatra isan-taona ao amin’io tanàna io

hiankohoka eo anatrehan’ilay Mpanjaka,

izany hoe ny Tompon’izao rehetra izao,

ary koa hankalaza ny fetin’ny Tranotomboka.

17Raha misy firenena amin’ny tany

tsy mety hiakatra any Jerosalema

mba hiankohoka eo anatrehan’ilay Mpanjaka,

izany hoe ny Tompon’izao rehetra izao,

dia tsy mba hisy orana hilatsaka eo amin’ny taniny.

18Ary raha ny firenen’i Ejipta kosa

no tsy tonga miakatra ao Jerosalema

mba hankalaza ny fetin’ny Tranotomboka,

dia tsy hisy koa ranonorana hilatsaka any aminy

sady hanjo azy ny areti-mandoza

izay namelezan’ny Tompo ireo firenena

izay tsy niakatra nankalaza io fety io.

19Izany no hanasaziana an’i Ejipta

sy ny firenena hafa rehetra

tsy mba hankalaza ny fetin’ny Tranotomboka.

20Amin’izany andro izany,

na dia ny lakolosin-tsoavaly aza

dia hisy soratra hoe: «Voatokana ho an’ny Tompo».

Ny vilany tsotra ao amin’ny tempoly

dia hoheverina ho masina

tahaka ny tsatokaty famafazana

izay eo anoloan’ny alitara.

21Eny, ny vilany rehetra izay any Jerosalema sy Joda

dia ho voatokana ho an’ny Tompon’izao rehetra izao.

Ary izay rehetra tonga hanolotra sorona

no hampiasa ireny mba hahandroan-kena.

Ary amin’izay fotoana izay

dia tsy hisy mpivarotra intsony

ao an-tranon’ny Tompon’izao rehetra izao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help