Ohabolana 4 - Malagasy Bible

Fahazoana sy fitanana ny fahendrena

1Henoy, rey anaka, ny anatry ny ray

ary milofosa hahalala ny fahaiza-manavaka.

2Fa torohevitra mahasoa no omeko anareo;

aza mahafoy ny fampianarako.

3Izaho koa mba zanaka mamin-draiko

ary malalan-dreniko toy ny lahitokany.

4Nampianatra ahy i dada ka nanao tamiko hoe:

«Tano mafy ao am-ponao ny teniko;

tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.

5Mahazoa fahendrena sy fahaiza-manavaka;

ka aza misy hadinoina na ialana

ireo teny aloaky ny vavako.

6Aza mahafoy ny fahendrena, dia harovany ianao;

tiavo izy, dia hiambina anao.

7Ny voalohan-tanjon’ny fahendrena dia izao:

mahazoa fahendrena;

koa izay rehetra anananao

no ahazoy fahaiza-manavaka.

8Fenjao ny fahendrena, dia hanandratra anao;

eny, ho voninahitrao izy raha fihininao.

9Hasiany diadema soa eo an-dohanao

ary homeny satroboninahitra marevaka ianao.

Fadio ny lalan’ny olon-dratsy

10Henoy ka raiso, anaka, ny teniko;

dia ho ela velona ianao.

11Hampianariko ny làlam-pahendrena ianao

ary hotarihiko amin’ny soritra mahitsy.

12Tsy ho voasembantsembana ianao raha mandeha,

ary tsy ho tafintohina raha mihazakazaka.

13Tano mafy izay nanabeazana anao ka aza avela.

Tehirizo izany fa foto-piainanao.

14Aza mankany amin’ny falehan’ny olon-dratsy

ary aza mizotra amin’ny lalan’ny mpanao ratsy.

15Halaviro fa aza lalovana akory izany,

ary ialao ka mizora lavidavitra kokoa.

16Tsy matory ireny raha tsy efa nanao ratsy

ary tsy mahita tory raha tsy efa nanafintohina olona.

17Fa ny faharatsiana no mofo fihinany isan’andro;

ary ny herisetra no divay fisotrony.

18Ny fitondrantenan’ny olo-marina

dia toy ny fahazavan’ny maraina

izay mihamazava mandra-pahantoandro ny andro.

19Fa ny toetran’ny olon-dratsy fanahy kosa toy ny haizim-pito

ka tsy fantany akory izay hanafintohina azy.

Ny fananana fitondrantena tsy mivadibadika

20Anaka, tandremonao ny teniko

ka henoy tsara izay lazaiko.

21Imasoy hatrany ireo

ary tehirizo ao am-ponao.

22Fa aina ho an’izay mandray azy tokoa ireo

ary fahasalamana ho an’ny tenany manontolo.

23Tandremo izay eritreretin’ny fonao

fa izany no iankinan’ny fiainanao.

24Ambeno tsy hiteny lainga ny vavanao

na hilaza fitaka ny molotrao.

25Aoka hifantoka amin’ny olona ny masonao

ka hibanjina tsara eo anoloanao.

26Savao lalana ny tongotrao;

aoka ho azo antoka avokoa ny famindranao.

27Aza mivily miankavanana na miankavia;

halaviro ny tongotrao ny ratsy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help