Jôela 2 - Malagasy Bible

Akaiky ny andron’ny Tompo

1Tsofy ny trompetra ary asio antso fanairana,

ao Tsiôna tendrombohitro masina.

Mangovita ianareo mponina rehetra

eto amin’ity tany ity,

fa avy ny andron’ny TOMPO;

eny, efa akaiky izany.

2Ho andro maizina tanteraka

rakofan-drahona sy zavona izany.

Indro avy ny tafiky ny bibikely,

andiany marobe sady matanjaka,

ary tahaka ny aloka

mandrakotra ny tendrombohitra;

tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay

sady tsy hisy toy izany intsony any aoriany.

3Tahaka ny afo mandevona

no hanimbany ny eo alohany

sy handoroany ny ao aoriany.

Talohan’ny fahatongavany

dia toy ny zaridainan’i Hedena ny tany;

taorian’ny fandalovany kosa

dia taniefitra kilan’ny afo no sisa.

Eny, tsy nisy izay tsy ravany.

4Fa tahaka ny soavaly izy

ary mihazakazaka toa soavaly miriotra.

5Tahaka ny firodorodon’ny kalesy

na ny fipoapoaky ny lelafo

amin’ny bozaka may

no itsambikimbikinany

mitety tampon-tendrombohitra.

Eny, tahaka ny tafika matanjaka

no efa ilaharany mivonon-kiady.

6Mangovitra eo anoloany ny vahoaka,

ka tera-mena avokoa ny endriny.

7Tahaka ny lehilahy mahery

ny fihazakazahany

ary tahaka ny miaramila mpiady

ny fianihany manda.

Samy mandeha amin’izay hitsiny izy,

fa tsy mivilivily lalana.

8Tsy mba mifanosika izy,

fa mandroso amin’ny lalany avy.

Sahy misedra izay asehatra azy izy,

fa tsy voasakan’izany.

9Mamakivaky ny tanàna izy,

mihazakazaka eny amin’ny manda;

mianika ny trano izy

ary miditra eo am-baravarankely

toy ny mpangalatra.

10Eo anoloany dia mihorohoro ny tany,

mipararetra ny lanitra,

mihamaizina ny masoandro sy ny volana

ary tsy mamiratra intsony ny kintana.

11Fa ny TOMPO mitrena toa kotro-baratra

eo alohan’ny tafiny.

Marobe sy matanjaka

ireo miaramila mpanatanteraka ny baikony.

Fa lehibe ny andron’ny TOMPO;

mahatahotra indrindra izany

ka tsy hisy hahatanty.

Izao no fotoana iverenanaamin’ny Tompo

12Hoy ny teny hentitry ny Tompo:

«Dieny ankehitriny,

miverena amiko amin’ny fonareo manontolo:

mifadia hanina, mitomania

ary manaova fitalahoana.

13Aza ny fitafianareo ihany no triatriarina

fa ny fonareo indrindra no ovay.»

Miverena amiko TOMPO Andriamanitrareo:

Fa miantra sy mamindrafo Izy

mahari-po sady be fitiavana

ary mamoy ny loza nandrahonany.

14Angamba mety hanenina Izy

ka hamela fitahiana ho anareo;

dia hisy fanatitra vokatry ny tany

sy fanatitra araraka azonareo atao

ho Azy TOMPO Andriamanitrareo.

Ny fotoana ifadian-kanina sy italahoana an’Andriamanitra

15Tsofy ao Tsiôna ny anjomara,

manokàna andro fifadian-kanina,

ary miantsoa fivoriambe.

16Atobio miaraka ny vahoaka,

manokàna fotoana hiangonana.

Vorio ny antitra sy ny tanora

hatramin’ny zaza minono;

aoka handao ny efitranony ny mpivady vao.

17Aoka hitomany ao an-tempoly ireo mpisorona

izay mpanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO!

Eo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara,

no aoka hanaovany izany ka hitenenany hoe:

«TOMPO ô, mba iantrao ny vahoakanao,

aza avela ho afa-baràka ny olonao

na holatsain’ny hafa firenena hoe:

‹Aiza izay Andriamanitrareo?› »

Valintenin’Andriamanitra amin’ny vahoakany

18Tia ny taniny ny TOMPO

sady miantra ny vahoakany

19ka mamaly vavaka azy hoe:

«Handefa varimbazaha sy divay

ary menaka ho anareo AHO.

Ho vokin’izany ianareo

ka tsy havelako intsony

holatsain’ny hafa firenena.

20Horoahiko lavitra anareo

ny fahavalonareo avy any avaratra

ka halefako any an-taniefitra sy karankaina;

any amin’ny Ranomasina Maty

no hazerako ny lohalalany,

ary any amin’ny Ranomasina Mediteranea

no hatsipiko ny vodilalany.

Fofon-dratsy no hiakatra

avy amin’ny fatin’ireo

ka hanamaimbo ny rivotra.

Eny, zava-dehibe toy izany

no nataon’ny TOMPO taminareo.

21Aza matahotra, ry tany fambolena,

miravoravo sy mifalia ianao

fa manao zava-dehibe ny TOMPO.

22Aza matahotra, ry biby any an-tsaha,

fa mihamaitso ny kijana any an-taniefitra,

mamoa ny hazo

ary vokatra ny aviavy

sy ny voaloboka.

23Ary ianareo, ry mponin’i Tsiôna,

miravoravoa sy mifalia

amin’ny TOMPO Andriamanitrareo,

fa ny oram-pararano sahaza

no omeny anareo;

alatsany aminareo toy ny fahiny koa

ny ranonorana mivatravatra,

dia ny oran-dohataona sy ny oran-dririnina.

24Koa feno varimbazaha ny famoloana;

ary mitosaka ny divay sy menaka

ka mihoatra ny vata fanantazana azy.

25«Onerako aminareo, hoy ny TOMPO,

ireo vokatra nohanin’ny fanday sy ny valala

mbamin’ny voangory sy ny kijeja;

ireny miaramila betsaka ireny

no nalefako hamely anareo.

26Hihinan-ko voky ianareo

ka hidera Ahy TOMPO Andriamanitrareo,

Izay nanao zava-mahagaga taminareo.

Ary ny vahoakako, na oviana na oviana,

dia tsy ho menatra intsony.

27Ary hiaiky ianareo

fa eo afovoanareo Israelita Aho,

ka ny TOMPO Andriamanitrareo

dia Izaho fa tsy hafa.

Ary ny vahoakako, na oviana na oviana,

dia tsy ho menatra intsony.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help