1 Samoela 5 - Malagasy Bible

Any amin’ny Filistinina ny Vatamasina

1Azon’ny Filistinina àry ny Vatamasin’Andriamanitra ka nentiny nankany Asdôda avy tao Ebena-Hezera.

2Dia nalainy ny Vatamasina ka nampidiriny tao amin’ny tempolin’i Dagôna andriamaniny ary napetrany teo anilan’ny sarivongan’i Dagôna.

3Ny ampitso, rehefa nifoha ny mponin’i Asdôda, dia nahita ny sarivongan’i Dagôna nidaboka nihohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO; natsangan’izy ireo izy ka napetrany indray tamin’ny toerany.

4Ny ampitso maraina manaraka dia hitan’ny olona fa mbola nidaboka tamin’ny tany teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO indray ilay sarivongana; tapaka teo an-tokonam-baravarana ny lohany sy ny tanany roa, fa ny vatabeny ihany no tsy nanohinana.

5–Izany no tsy anitsahan’ny mpisoron’i Dagôna sy izay rehetra miditra ao amin’ny tempoliny, ao Asdôda, ny tokonam-baravaran’i Dagôna mandraka androany.

6Tsy zakan’ny mponin’i Asdôda ny famaizana nafitsoky ny herin’ny TOMPO, fa sady nampitondra faisana azy izany no nahavoan-kitso azy mbamin’ireo mponina manodidina.

7Rehefa nahita ny nahazo azy ny mponin’i Asdôda, dia nanambara hoe:

–Aoka tsy hitoetra eto amintsika ny Vatamasin’ilay Andriamanitr’i Israely, fa ny nafitsoky ny heriny efa nampitondra ny mafy antsika sy an’i Dagôna andriamanitsika!

8Dia nampiantso ireo andriana dimy filohan’ny Filistinina izy ireo mba hivory any aminy ka nanontany azy hoe:

–Hataonay ahoana ny Vatamasin’ilay Andriamanitr’i Israely?

Dia hoy ireo filoha taminy:

–Aoka hafindra hankany Gata izany!

Dia nafindra nankany Gata ilay Vatamasina;

9nefa vantany vao tonga tany izany, dia namely ny mponina tao an-tanàna ny herin’ny TOMPO ka nahatonga hotakotaka goavana. Nasian’ny Tompo izy rehetra ka voan’ny kitso avokoa, nanomboka tamin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.

10Dia nalefany nankany Hekrôna ny Vatamasin’Andriamanitra; nefa nony tonga tany izany, dia niantsoantso mafy ny mponin’i Hekrôna hoe:

–Nafindra atỳ aminay mba hahafaty anay mianakavy ny Vatamasin’ilay Andriamanitr’i Israely.

11Mba nampiantsoan’izy ireo koa ireo andriana filohan’ny Filistinina ka nilazany hoe:

–Avereno any amin’izay toerana nisy azy any ny Vatamasin’ilay Andriamanitr’i Israely sao dia hahafaty anay rehetra.

Fa hotakotaka mahatsiravina no tao an-tanàna satria mafy dia mafy koa no nafitsoky ny herin’ny Tompo tao;

12ka izay tsy maty dia voan’ny kitso, ary niakatra ny lanitra ny kiakia-pahoriany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help