1Rehefa niherina ny lohataona, fotoana fiaingan’ny mpanjaka handeha hiady, dia i Jôaba no nitarika ny tafika manontolo ka nandrava ny tanin’ny Hamônita sy tonga nanao fahirano an’i Rabà renivohiny; fa i Davida kosa nijanona tao Jerosalema ihany.
Nony azon’i Jôaba sy noravany i Rabà,
2dia avy i Davida nanaisotra ny satroboninahitra teny an-dohan’i Milkôma ilay andriamanitry ny Hamônita. Mihoatra ny telopolo kilao no hita fa lanjan’io satroboninahitra volamena io; sady nisy vatosoa anankiray koa taminy, vatosoa izay napetraka teo an-tampon’ny satroboninahitr’i Davida. Be dia be ny zavatra voababo tao an-drenivohitra no nentin’i Davida;
3ary ny mponina izay tao dia navoakany ka notereny hiasa amin’ny tsofa sy ny hersa ary ny famaky. Nataon’i Davida toy izany avokoa ny tanàna hafa rehetra fonenan’ny Hamônita. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny tafiny manontolo.
Resin’ny Israelita ny Filistinina(Jereo 2 Sam 21.18-22)4Taorian’izany, dia nisy ady tamin’ny Filistinina tao Gezera. Tamin’izay i Sibekay, avy any Hosà, no nahafaty an’i Sipay isan’ny taranak’i Rafà; ka dia voaetry ny Filistinina.
5Dia nisy ady tamin’ny Filistinina indray. Ka i Elihanàna, zanakalahin’i Jahîry, no nahafaty an’i Lahemỳ, rahalahin’i Gôliata avy any Gata, dia i Gôliata izay nanana zaran-defona vaventy tahaka ny voditenon’ny mpanenona.
6Nisy ady koa tao Gata. Tao dia nisy lehilahy anankiray avo be sady enin-drantsana isan-tanana aman-tongotra ka dia 24 no fitambarany; taranak’i Rafà koa izy.
7Nohantsiny ny Israelita, ka i Jonatàna, zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida, no nahafaty azy.
8Ireo miaramila filistinina ireo dia samy taranak’i Rafà tao Gata, ka matin’ny tanan’i Davida sy ny tanan’ny mpanompony.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.