Hamôsa 9 - Malagasy Bible

Ny fahitana fahadimy: ilay toera-masina voarodana

1Hitako ny Tompo, nitsangana teo ambonin’ny alitara sady niteny hoe:

«Asio ny lohan’ireo andry amin’ity tempoly ity

dia hihozongozona ny fiorenany.

Hotorotoroiko avokoa ireo lohandohany

amin’izay rehetra eto

ary izay sisa tavela dia haringako amin’ny ady;

tsy hisy ho afa-mandositra

ary tsy hisy ho afa-mitsoaka.

2Na hibosesika any amin’ny toeran’ny maty aza ireo,

dia hotsoahan’ny tanako avy any;

na hiakatra ho any an-danitra aza ireo,

dia hampidiniko avy any;

3na hiery any an-tampon’i Karmela aza ireo,

dia hokarohiko sy halaiko any;

na mihevitra hiafina tsy ho hitan’ny masoko

any amin’ny fanambanin’ny ranomasina aza ireo,

dia homeko didy ny trozonabe hanaikitra azy any;

4na ho lasan-ko babo eo anatrehan’ny fahavalony aza ireo,

dia homeko baiko ny sabatra handringana azy any.

Tapa-kevitra Aho tsy hahatonga soa ho azy

fa hahatonga loza.»

Ny Tompo no mifehy ny tany aman-danitra

5Ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao,

vao manendry ny tany, dia mampihovotrovotra azy;

misondrotra sy mietry ny tany manontolo

tahaka an’i Neily, onin’i Ejipta;

ary misaona ny maty ireo mponina rehetra ao aminy.

6Nanorina ny lapany any an-danitra Andriamanitra,

ka ny tany no iorenan’ny andohalambon’ny lanitra;

miantso ny rano eny an-dranomasina Izy

ka mampilatsaka azy etỳ ambonin’ny tany.

Ny TOMPO no anarany.

Famaizana an’i Israely

7Izao no teny hentitry ny TOMPO:

«Amiko ve ianareo, ry taranak’i Israely,

tsy tahaka ny taranaka etiôpianina ihany?

Moa tsy nampiakariko avy tany Ejipta ve ianareo,

tahaka ny nampiakarako ny Filistinina avy tany Kaftôra

sy nampiakarako ny Sirianina avy tany Kira?»

8Indro ny Tompo ANDRIANANAHARY mampifantoka ny masony

amin’ity fitondram-panjakana mpanota ity

sady manao teny hentitra hoe:

«Hamongotra azy tsy ho eto ambonin’ny tany intsony Aho,

Kanefa tsy hamongotra manontolo ny taranak’i Jakôba.

9Indro Aho hamoaka baiko

mba hisivanana ny taranak’i Israely

mba hosivanina any anivon’ny firenena rehetra

tahaka ny anasivanam-bary amin’ny sivana

ka tsy hisy vato latsaka amin’ny tany.

10Ho faty an’ady ny mpanota rehetra amin’ny vahoakako,

dia ireo nilaza hoe:

‹Ny loza tsy hananontanona anay

sady tsy hahatratra anay!› »

Fanarenana an’i Israely amin’ny ho avy

11Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:

«Ilay tanànan’i Davida izao

dia toy ny tranobongo efa nianjera.

Fa ho avy ny andro izay hananganako indray

izany tanàna izany,

ka hofefeko ireo banga amin’ny màndany

hatsangako ny rava tao aminy,

ary haoriko indray ny tanàna ho tahaka ny taloha.

12Amin’izay no hakan’i Israely

ny tany sisa amin’i Edôma

sy amin’ny firenena hafa rehetra

izay nomarihina ny anarako hananako azy.

Izaho Tompo no hahatanteraka izany.»

13Hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe:

«Indro avy ny andro

izay hahavokatra ny vary

ka efa hasaina ny tany vao vita ny fijinjana,

sy hahavokatra ny voaloboka

ka efa hafafy ny voambary

vao vita ny fihosemboaloboka.

Divay no hiboiboika eny an-tendrombohitra

sy hikoriana eny an-tampon-kavoana rehetra.

14Haveriko avy amin’ny fahababoana

ny Israely vahoakako,

ka ireo tanàna efa rava

hatsangany sy honenany indray.

Hamboly voaloboka izy

ka hisotro ny divay avy aminy,

ary hanao zaridaina

ka hihinana ny vokatra avy aminy.

15Hamboleko eo amin’ny tany izany nomeko azy izy,

ka tsy hongotana hiala eo intsony.

Izaho TOMPO Andriamanitrao no efa niteny.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help