Jôba 5 - Malagasy Bible

*

1Miantsoa ange raha misy hamaly anao e!

Ary iza amin’ny anjely masina no hitodihanao?

2Fa ho voakikin’ny fahasosorany ny adala;

ary ho fatin’ny fahatezerany ny ketrina.

3Marina tokoa fa efa nahita adala nambinina aho,

nefa avy hatrany no nanozonako ny tranony hoe:

4«Ho lavi-pamonjena anie ny zanany,

ka hohelohina tsisy mpiaro amin’ny fitsarana!

5Fa ny noana anie no hihinana izay nojinjainy;

ka halainy izany na dia voafefy tsilo aza;

ary ny sahirana anie no ho tompon’ny hareny!»

6Fa tsy avy amin’ny tany akory

no ivoahan’ny tsy fahamarinana

na itsimohan’ny fahoriana.

7Kanefa nateraka ho ory ny olombelona,

ary ny pitik’afo kosa natao hanidina miakatra.

*

8Raha izaho ianao dia Andriamanitra no hanontaniako;

ary Andriamanitra no hilazako ny momba ahy.

9Lehibe tsy takatry ny saina ny zavatra ataony,

dia zava-mahagaga tsy hay visavisaina.

10Izy no mampilatsaka ny orana ambonin’ny tany

ary mampandeha ny renirano hanondraka ny saha.

11Manandratra ny ambany ho amin’ny avo Izy;

ary ny malahelo dia ampiany hitraka.

12Izy no mampandamoka ny tetiky ny fetsy ratsy,

ka ho tsinontsinona izay asan’ny tanany.

13Ny hafetsen’ny hendry ihany no amandrihany azy,

ary ataony maty momoka ny tolo-tsainy.

14Tojo ny haizina amin’ny andro antoandro izy;

ka dia amin’ny mitataovovonana,

no iraparapany toy ny amin’ny alina.

15Nefa vonjen’Andriamanitra ny ketraka

mba tsy hianjadian’ny sabatra,

ary ny mahantra mba tsy ho azon’ny mahery;

16mamelom-panantenana ny osa izany,

ary mampikombom-bava ny ratsy fanahy.

17Fa sambatra ny olona izay anarin’Andriamanitra!

Koa aza hamaivanina, ry Jôba, ny famaizan’ilay Tsitoha.

*

18Fa Andriamanitra dia mety mampijaly, raha mitsabo fery;

ary ny tànany dia mety mandratra, raha manasitrana.

19Hamonjy anao amin’ny fahoriana matetika Izy;

ka amin’ny farany tsy hahavoa anao intsony ny loza.

20Tsy hamela anao ho faty Izy, raha avy ny mosary;

harovany tsy ho voan’ny sabatra ianao, raha avy ny ady.

21Ho voaaro amin’ny endrikendrika ianao,

ka tsy hatahotra raha tonga ny antambo.

22Hihomehezanao fotsiny ny mosary aman’antambo,

ary tsy hatahoranao izay bibidia.

23Ho vita fanekempihavanana mirindra ianao

amin’ny vato eny an-tsaha sy amin’ny bibidia,

24hiadam-pinaritra ao amin’ny fonenanao,

ary hahita ny ondrinao tsy misy very

rehefa tonga hisafo azy any an-kijàna.

25Ho hitanao hihamaro koa ny zanakao;

ary ny taranakao dia hihabetsaka

tahaka ny ahitra eny an-tsaha.

26Ho tratra antitra nefa havitrika ianao

ambara-piditrao any am-pasana,

dia ho tahaka ny amboaram-bary

izay akarina ho antontany

amin’ny fotoam-pararano.

27Izany no izy rehefa nodinihinay, ry Jôba,

koa ankatoavy sy ekeo hahasoa anao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help