Genesỳ 4 - Malagasy Bible

1Niraisan’i Adama i Eva vadiny, ka nitoe-jaza. Dia niteraka an’i Kaina izy, ary nanao hoe: «Nahazo zazalahy noho ny amin’ny TOMPO aho.»

2Dia mbola niteraka an’i Abela rahalahiny koa izy. Ary i Abela dia mpiandry ondry, fa i Kaina kosa mpamboly.

3Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nitondran’i Kaina fanatitra ho an’ny TOMPO ireo vokatry ny tany.

4I Abela koa nitondra ireo voalohan-teraky ny ondriny hatao sorona ka nanolotra ny jaborany ho an’ny TOMPO. Ary ny Tompo nankasitraka an’i Abela sy ny fanatiny,

5fa tsy nankasitraka kosa an’i Kaina sy ny fanatiny; koa tezitra mafy i Kaina sady nanjombona tarehy.

6Ary hoy ny TOMPO tamin’i Kaina:

–Nahoana no tezitra sady manjombona tarehy ianao? Raha manao ny tsara ianao, moa tsy hahatraka?

7Fa raha tsy izany, dia toy ny biby mamitsaka eo am-baravaranao ny ota. Te hanapaka anao izy, kanefa ianao no tokony hifehy azy.

8Dia hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny:

–Andeha isika ho any an-tsaha.

Nony mby tany an-tsaha izy ireo, dia niantoraka teny amin’i Abela rahalahiny i Kaina ka namono nahafaty azy.

9Ary ny TOMPO nanontany an’i Kaina hoe:

–Aiza moa i Abela rahalahinao?

Dia hoy i Kaina hoe:

–Tsy fantatro! Moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?

10Fa hoy kosa ny TOMPO hoe:

–Inona ity nataonao? Ny feon’ny ran’ny rahalahinao mitaraina amiko avy ao amin’ny tany.

11Ankehitriny dia manozona anao ny tany izay misokatra hitelina ny ran’ny rahalahinao.

12Raha hamboly ny tany ianao, dia tsy hanome vokatra ho anao intsony izy; ka dia ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany ianao.

13Dia niteny tamin’ny TOMPO i Kaina hoe:

–Mavesatra loatra ny heloko!

14Indro roahinao hiala eo amin’ny tany mahavokatra aho ankehitriny, ka tsy maintsy hiery lavitra Anao; ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany aho, ka izay rehetra mahita ahy dia hamono ahy ho faty!

15Fa namaly azy ny TOMPO hoe:

–Tsia, fa na iza na iza mamono anao ho faty, dia hovaliana impito heny.

Dia nametrahan’ny TOMPO famantarana teo amin’i Kaina mba tsy hisy hamono azy ho faty izay mifanena aminy.

16Ary niala teo anatrehan’ny TOMPO i Kaina, ka nonina tao amin’ny tanin’i Nôda, any atsinanan’i Hedena.

Ny taranak’i Kaina

17Niraisan’i Kaina ny vadiny, dia nitoe-jaza ka niteraka an’i Henôka. Dia nanorina tanàna i Kaina, ka nampitondrainy ny anaran’i Henôka zanany lahy.

18I Henôka no ray niteraka an’i Hirada; i Hirada no ray niteraka an’i Mehojaela; i Mehojaela no ray niteraka an’i Metosaela; ary i Metosaela kosa no ray niteraka an’i Lamèka.

19Nanambady anankiroa i Lamèka: ny voalohany dia natao hoe Hadà, ary ny faharoa nantsoina hoe Tsilà.

20I Hadà dia niteraka an’i Jabala: io no razamben’ireo mpitoetra an-day miaraka amin’ny biby fiompy.

21Nisy rahalahiny natao hoe Jobala, io no razamben’ireo rehetra mpitendry kabôsy sy mpitsoka sodina.

22I Tsilà kosa dia niteraka an’i Tobala-Kaina izay mpanefy ny zava-maranitra rehetra vita amin’ny varahina na vy. Ny anabavin’i Tobala-Kaina dia i Nahamà.

23Hoy i Lamèka tamin’ny vadiny:

–Ry i Hadà sy i Tsilà ô, henoy aho!

Ry vadin’i Lamèka,

atongilano ny sofinareo amin’ny teniko:

Namono nahafaty olona aho satria nokapohiny,

ary namono nahafaty tovolahy aho satria noratrainy.

24Raha valiana fito heny

izay mahafaty an’i Kaina,

dia hovaliana 77 heny kosa

izay mamono mahafaty an’i Lamèka.

25Ary i Adama sy ny vadiny dia mbola nanan-janaka iray hafa koa, ka ny anarany dia nataon’i Eva hoe Seta, satria hoy izy hoe:

–Nomen’Andriamanitra zanakalahy hafa indray aho ity ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina ho faty.

26Ary i Seta kosa niteraka lahy nantsoiny hoe Enôsa. Hatreo vao nivavaka tamin’Andriamanitra ny olona ka niantso Azy hoe TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help